Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe fitia
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
fitia
Hampiditra ohabolana
1.
Aza atao fitia fiangonana ka isakin'ny alahady ihany vao vangiana
Zmf11
2.
Fitia miorina an-daba-pako, ka anjakan’ny adala. Ny Andri-Fara 05.09.2003
SANAKERIB
3.
Ny tena fitiavana tsy sento ka hoe miserana fotsiny ihany.
Maminirinaheryz_
4.
Ataovy toy ny fitiavan'ny vitsika, ny entina mavesatra nefa ny tena bitika
petakasoa
5.
Ny fitiavana dia toy ny ody mahajamba
dadafara_kely
6.
Ny tselatra atosiky ny varatra, ny orana atosiky ny rahona,fa ny olona atosikiny fitiavana.
Benjamadagasikara
7.
Mbola Mahery Ny Fitiavana,nony Ny Sandry.
avoss Jah
8.
Aza atao fitia paraky ka atreho am-bava ihany
nalsonrazakariasa2015
9.
Ny fitiavana vary ahahy ka maina vao alanona
Ajnal
10.
Ny fitiavana toy ny afo,mandoro raha kasihana,ary manafana raha sendra andro mangatsika
Haraldtohaina
11.
"Toy ny ravi-maitso nolalovan'ny fanday ny fitiavantsika roa"
miisa03
12.
Aza manana fitiavana vita sinoa.
Topher
13.
Fitia toko-kena ka samy mahazo ny anjarany
ramiarinjatovo
14.
Aza atao fitia an-tendro-molotra fa ataovy fitia latsa-paka
OZ16
15.
Tsy misy fitia herin-taona, fa fonenana no sisa
iMaditra
16.
Atao fitiavana trondro sady ompiana no akana taranaka
1406
17.
Aza manao fitia mifono avona.
sylvianna
18.
Aza manao fitia rano trambo:be fihavy, ka mora lasa.
sylvianna
19.
Aza mitaitay toy ny fitia tsy ho ela.
sylvianna
20.
Ataovy fitian-dranon'erika:madini-pihavy fa mahatondra-drano.
sylvianna
21.
Ataovy fitia voampo:mbola lavitra ihany dia ampoizina.
sylvianna
22.
"Fitia iray lainga ka aina no fetra; fitia lamban'akoho ka faty no hisarahana".
ragotso
23.
Aza atao fitia rora-paraky,Tiana ihany ka tsy hatelina.
falinafs
24.
Raha hizara ihany, fitiavana zaraina ; raha hitondra ody ihany, fitiavana lanjaina ; raha amokatra ihany, fitiavana vokarina ; raha hikendry ny soa, ny fitiavana kendrena
jock
25.
Afo ny fitiavana ka tsy azo sangiana
ranjalahygedeon1
26.
Ataovy fitia vita voady ka sahy misotro ny aleoko maty
jock
27.
Aza velarina eny amorondalana ny fitiavana fa hitsakitsahin'ny mpandalo
njrtkr
28.
ny fitiavana toy ny ketsa ka mora afindrafindra
Tankapa
29.
"fitia tsy tanteraka tsy maharatsy fihavanana"
alfantomas
30.
Mianatra mitia isika avy amin'ny fitiavana ao anatintsika.
niryna
1
2
3
Manaraka
Farany
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0173