Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe fitia
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
fitia
Hampiditra ohabolana
1.
Fitia miorina an-daba-pako, ka anjakan’ny adala. Ny Andri-Fara 05.09.2003
SANAKERIB
2.
Ny tena fitiavana tsy sento ka hoe miserana fotsiny ihany.
Maminirinaheryz_
3.
Ataovy toy ny fitiavan'ny vitsika, ny entina mavesatra nefa ny tena bitika
petakasoa
4.
Ny fitiavana dia toy ny ody mahajamba
dadafara_kely
5.
Ny tselatra atosiky ny varatra, ny orana atosiky ny rahona,fa ny olona atosikiny fitiavana.
Benjamadagasikara
6.
Mbola Mahery Ny Fitiavana,nony Ny Sandry.
avoss Jah
7.
Aza atao fitia paraky ka atreho am-bava ihany
nalsonrazakariasa2015
8.
Ny fitiavana vary ahahy ka maina vao alanona
Ajnal
9.
Ny fitiavana toy ny afo,mandoro raha kasihana,ary manafana raha sendra andro mangatsika
Haraldtohaina
10.
"Toy ny ravi-maitso nolalovan'ny fanday ny fitiavantsika roa"
miisa03
11.
Aza manana fitiavana vita sinoa.
Topher
12.
Fitia toko-kena ka samy mahazo ny anjarany
ramiarinjatovo
13.
Aza atao fitia an-tendro-molotra fa ataovy fitia latsa-paka
OZ16
14.
Tsy misy fitia herin-taona, fa fonenana no sisa
iMaditra
15.
Atao fitiavana trondro sady ompiana no akana taranaka
1406
16.
Aza manao fitia mifono avona.
sylvianna
17.
Aza manao fitia rano trambo:be fihavy, ka mora lasa.
sylvianna
18.
Aza mitaitay toy ny fitia tsy ho ela.
sylvianna
19.
Ataovy fitian-dranon'erika:madini-pihavy fa mahatondra-drano.
sylvianna
20.
Ataovy fitia voampo:mbola lavitra ihany dia ampoizina.
sylvianna
21.
"Fitia iray lainga ka aina no fetra; fitia lamban'akoho ka faty no hisarahana".
ragotso
22.
Aza atao fitia rora-paraky,Tiana ihany ka tsy hatelina.
falinafs
23.
Raha hizara ihany, fitiavana zaraina ; raha hitondra ody ihany, fitiavana lanjaina ; raha amokatra ihany, fitiavana vokarina ; raha hikendry ny soa, ny fitiavana kendrena
jock
24.
Afo ny fitiavana ka tsy azo sangiana
ranjalahygedeon1
25.
Ataovy fitia vita voady ka sahy misotro ny aleoko maty
jock
26.
Aza velarina eny amorondalana ny fitiavana fa hitsakitsahin'ny mpandalo
njrtkr
27.
ny fitiavana toy ny ketsa ka mora afindrafindra
Tankapa
28.
"fitia tsy tanteraka tsy maharatsy fihavanana"
alfantomas
29.
Mianatra mitia isika avy amin'ny fitiavana ao anatintsika.
niryna
30.
Aza matoky fitiavana ka hitanjaka imasom-bady
yveratsimb
1
2
3
Manaraka
Farany
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.4332