Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe imaso
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
imaso
Hampiditra ohabolana
1.
Aza mahidy imason-tsipa, fa ny vola fitady ary ny aina fanary..
Ny_Arlinah
2.
Didimason'ny be lanonana, mitomany mahita soa
omegaedvin
3.
Raha torimaso tsy taitran'ny amponga, fohazy ihany sao nodimandry.
seul110
4.
Aza matoky fitiavana ka hitanjaka imasom-bady
yveratsimb
5.
torimason'ilay jamba ka aina no fetra
andrianaly
6.
Mitafy lamba imason'ny tompony.
soanja
7.
Voron-tsaporetika, papango didimaso, ka jereo aloha ny tena vao manenitra ny sasany.
soanja
8.
ny tany tsy ho lavadavahana mbola hiverenana, aza mandrora mitsilany sao hahavoa tena, alaeo volana imaso toy izay volana ivoho, tsy ny tany no fady fa ny vavam-bahoaka, ny maherh tsy maody tsy ho ela velona
voniala
9.
Mipaoka imason'ny tompony toy ny voromahery.
soanja
10.
DIDIMASON TSOKINA KA NY KELY ANANANA NO AVANDRAVANDRA
kiriah
11.
Mivadika imaso toa tandrok'ondry.
soanja
12.
Ny fitiavantsika dia ataontsika toy ny torimason'ny jamba ka faty no isarahana
DEDAKE
13.
Aleo vandana imaso toa izay kary afenina
niryna
14.
Ataovy hanatra imaso ifanatrehana: fa raha takona tonga fosa
niryna
15.
Aleo vandana imaso, toy izay vandana ivoho
niryna
16.
Izay miteny lango eo imason'ny vary, mitafy lamba eo imason'ny tompony.
aivetinakely
17.
Didimaso asiana ody, mahareta fa hihavian'ny soa
niryna
18.
Raha torimaso, hono, no tsy taitran'amponga, fohazy sao nodimandry, ary raha teny aman-kilontsaina no fonosina tsy hivoaka, tandremo fa sao very hasina
aivetinakely
19.
Fa anatra tsara omeko anareo, aza mahafoy ny lalako fa zanak'ikaky aho sady tiana no hany malala teo imason'i neny
niryna
20.
Aza matoky fitiavana ka hitanjaka imasom-bady.
lanto
21.
Aza be henatra imaso, fa be fosa ivoho.Henatra fa tsy hanatra.
niryna
22.
Aza be anatra imaso, fa be fosa ivoho.
niryna
23.
tsy mba fanambadian-kalaina fa avy ho azy toy ny torimaso
latina
24.
Miady lalana imaso toy ny rarin'ny mpianatra
latina
25.
didimaso asiana ody: mahareta fa hihavian'ny soa
latina
26.
Didimaso maro anaka, ka tsy mahita ny ef nihinana
latina
27.
didimaso mitomany, ka ny vava ihany sokafana dia vita
latina
28.
didimaso miantsena, ka manome sakafo ny lalitra
latina
29.
Aza mitari-bilona eo imason'ny omby
latina
30.
Didimaso an-danonana ka mitomany mahita soa
miara
1
2
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1057