Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe ivelany
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
ivelany
Hampiditra ohabolana
1.
Aza manao toy Ikala mpaka vadin' olona, mambabo ivelany fa devoly fanahy
Holiholy
2.
Masoandro ririnina tsy natao hanafana ivelany ihany fa any anaty.
soanja
3.
Tanana anaty filo ka ny any ivelany tsy tafiditra, ny ao anatiny tsy tafavoaka.
soanja
4.
Toy ny harefo, ka marotsaka ivelany fa miefitra anaty.
soanja
5.
Hodin-tsokatra ilatsahan-kavandra ka mikoriana any ivelany.
soanja
6.
Mibanjina ny sokatra aho, tsy misy ny fandrosoany raha tsy mamoaka ny tenda ety ivelany izy
niryna
7.
Manalasala ny mifidy zaza kalmbana, ny ivelany itovizany ihany fa ny anatiny samy maka ho azy.
aivetinakely
8.
Tsy ny aty ivelany no hitarafana ny olona fa ny teny avoakany ao anatin'ny vavany
niryna
9.
Izay tia tsy mihaino resaky ny any ivelany.
aivetinakely
10.
Tsara ivelany ohatran'ny tsihy
niryna
11.
Madio ivelany ohatran'ny fasam-bao
niryna
12.
Aza manao toy ny famantaranandron'ny gara ka hafa ny ivelany hafa ny anatiny.
aivetinakely
13.
Aza madio ivelany tahaka ny tsihy.
niryna
14.
Aza madio ivelany toa tsihy.
niryna
15.
Doradora-vava any ivelany fa atao olo-moana ao an-trano
zndriana
16.
Bevohoka mitsidika ka na dia mbola eny ivelany aza ny vatana, ny kibo efa tafiditra.
hahaha
17.
Haingon'Imandiavato, ny jabo no ivelany fa ny somizy anatiny.
jentilisa
18.
Toy ny harefo, mahitsy ivelany fa miefitra an-kibony
McFy
19.
Madio ivelany toy ny fasana
vale
1
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.2555