Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe lalina
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
lalina
Hampiditra ohabolana
1.
Ny faniriana lalina no mampanaonao foana fa ny fahadisoam-panantenana no mampiheritreritra.
Lantoandryeric
2.
ny marina toy ny trondro vaventy,ka tsy hita raha tsy any amin'ny lalina
fanantenanahadji
3.
Ny marina toy ny trondro vaventy ka tsy hita raha tsy amin’ny rano lalina
yveratsimb
4.
Maizina ny andro, azo tsilovina; lalina ny rano azo lakanana; lalina ny hady,azo toharina; fa ny ratsy atao tsy mba azon-kevitra
yveratsimb
5.
tsikovo-drano, foza voatango: lalina fisaina fa ho ritra ny rano.
itaramasoandro
6.
Ny tsiny HADY lalina tsiriana maha-fanina, ianjeràna maha-faty
kiriah
7.
Hady lalina ka jere-mahafanina, ianjera-mahafaty.
soanja
8.
Tsikovo-dririnina, ka lalina fisaina, fa ho ritra ny rano.
soanja
9.
Eny Itôsy no mamahana alika ka aty Andranolalina no mitady hanina.
aivetinakely
10.
Maizina ny andro, azo tsilovina, lalina ny rano, azo lakanina, lalina ny hady, azo toharina, fa ny ratsy atao tsy mb azon-kevitra.
latina
11.
Tsobo-dranon-dRamiangaly, raha marivo irobohana, raha lalina ihemorana.
jentilisa
12.
Toy ny vary amin-dronono tondrahan-tantely, ka tian-ko lalina indrindra
hery
13.
Maizina ny andro, azo tsilovina; lalina ny rano azo lakanana; lalina ny hady, azo toharina; fa ny ratsy atao tsy mba azon-kevitra
hery
1
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0227