Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe lamban
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
lamban
Hampiditra ohabolana
1.
Ny fanambadiana lamban'akoho ka faty no isarahana
OZ16
2.
"Fitia iray lainga ka aina no fetra; fitia lamban'akoho ka faty no hisarahana".
ragotso
3.
Zavavy mandrovi-tsihy lamban-DRafy ka irefarefana.
RAP-ANGE
4.
Fitia lamban'akoho ka aina no fetra
yveratsimb
5.
Ataovy toy ny lamban'akoho, ka faty no hisarahana
Bita
6.
Madio midina, toy ny andevo manasa lamban'Antananarivo.
soanja
7.
Aza manao lamban'andevo ka tsy harahana.
soanja
8.
Aza atao fitia varavarana aho, tiana ihany fa atositosika, na atao fitia ranotrambo be fiavy fa mora ritra, na fitia paraky ka rehefa matsatso arora, fa ataovy fitia lamban'akoho ka maty vao ialàna
aivetinakely
9.
Sasa lamban'Antananarivo, aleo rovitra toy izay tsy hadio.
aivetinakely
10.
aza mipetra potsiny ohatra ny lamban'ny piasa
stella1
11.
Ny fitiavana toy ny lamban'akoho ka faty no hisarahana.
niryna
12.
Tsihy be lambanana ny ambanilanitra
latina
13.
Ny lamban'ny matory irakofan'ny mahatsiaro.
lanto
14.
Ny hendry ihany no anarina fa raha ny adala no tenenina ny lambany no ariany
Moundzee
15.
Lamban'akoho ka faty no isarahana
FRanaivo
16.
raha misy maka ny entanao homeo azy koa ny lambanao
doum
17.
Ny fanambadiana toy ny lamban'akoho ka faty no isarahana
JMR
18.
Fitia lamban'akoho, aina no fetra
LouAnne
1
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0807