Accueil
Insérer
Liste
Catégories
Inscription
Connexion
Les proverbes contenant lany
Liste des proverbes, contenant
lany
Insérer un proverbe
61.
Hazondrano natao satroka, ka ahohoka, feno, atsilany, feno.
soanja
62.
Ondry lahim-benty, mahalany kolokolon-tsasanangy.
soanja
63.
Aza atao toy ny boka mangalam-pihinana, ka lany andro eo ampilalaovana sarom-bilany.
ainamitia
64.
Aza manao toy ny vilany, ny vody efa main'ny afo nefa ny hanina lanin'ny sasany
Ratianakel
65.
Lehilahy tia mampirafy, tsy hendry raha tsy lany harena.
aivetinakely
66.
aza manao amboa nidesina manitry! mahazo ny ilany
xavier206
67.
Ny fo miangoty, ny saina mandinika, samy manana ny filàny avy
aivetinakely
68.
Ny teny marina toy ny fia-pary, ka na lava aza, tsy lany hamamiana
niryna
69.
kamboty tia toaka ; ny harena lany, ny tena tsy misy mananatra
bobone
70.
Ataovy fitia foza kely ka lany mbamin'ny korany.
aivetinakely
71.
Ny tambitamby efa lany, ny fitia efa nadiva ka na hifona aza tsy azo iverenana intsony.
aivetinakely
72.
Efa lany andro ny vady amboarina.
aivetinakely
73.
Efa lany rambo toy ny jono indray alina
niryna
74.
Aza manambady mamolava, fa rehefa lany ny hareny, hamidiny mbamin'anaka.
aivetinakely
75.
Izay diso matahotra lany hery, fa ny matoky tena very namana
aivetinakely
76.
Pirina kiboatà, ny loko màvana maro mpitia fa ny kibo be no tsy nahalany match.
aivetinakely
77.
Manaiki-droa lany tahaka ny dinta.
aivetinakely
78.
Mibanjina ny sokatra aho, tsy misy ny fandrosoany raha tsy mamoaka ny tenda ety ivelany izy
niryna
79.
Ny olombelona toy ny molo-bilany, ka iray mihodina ihany
niryna
80.
Mpikarajia tsy mahay azerty vola lany raha tadiavina tsy hita.
ZEMJOS
81.
Ataovy fitia tanam-poza ka lany mbamin'ny madinika indrindra.
aivetinakely
82.
Tsy lany hamamiana tahaka ny fary lava vàny.
aivetinakely
83.
Manalasala ny mifidy zaza kalmbana, ny ivelany itovizany ihany fa ny anatiny samy maka ho azy.
aivetinakely
84.
Tsy ny aty ivelany no hitarafana ny olona fa ny teny avoakany ao anatin'ny vavany
niryna
85.
Ela nanidinana andriam balala, ka tapaka ny elany.
kanto1
86.
Aza manao tovolahy tia daka: ny andro hiainana mbola ho lava, fa tovon karena ho lany.
kanto1
87.
Manaiki-droa lany tahaka ny dinta, ka maty mora tsy ananan'olona antra.
aivetinakely
88.
Ny mahidy no lany be
aivetinakely
89.
Lany maina ohatran'ny sakafon-doholona
niryna
90.
Tsy mino vary lany raha tsy mahita ny faran-kady mangeroka.
aivetinakely
1
2
3
4
5
Next
Last
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0179