Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe lohany
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
lohany
Hampiditra ohabolana
1.
Raha te ho tafita amin'ny fiainana,ny zavatra atao voalohany dia miraiki-pitia amin'ny zavatra ataonao.
niryna
2.
Atodin-tetso: sady farany, lohany. (Ohabolana BETSIMISARAKA)
soanja
3.
Akohovavy maneno, ka ny loza ho an'olona lazainy,fa ny angady hitomboka ny lohany tsy fantany.
soanja
4.
Toy ny aviavy ka mangidy am-boalohany, fa mamy amin'ny farany.
soanja
5.
Vovonana iadian'ny lohany.
soanja
6.
Kapok'alikan'ny belanonana, ka voa ny lohany, voa ny tendany, voa ny kibony.
soanja
7.
Aza atositosika ny sarimbavy fa tsy fantatra izay hanao feo voalohany.
Mahasahy
8.
Aza manao vatam-balala ka miharo ihany ny lohany sy tainy.
aivetinakely
9.
Aza manao tahaka ny fary ka ny lohany indray no matsatso.
aivetinakely
10.
Raha tsy nahomby ny voalohany, tohizo indray ny fanandramana faharoa.
niryna
11.
Ny mitia ny asa ataonao no fanalahidin'ny fahombiazana voalohany indrindra
niryna
12.
Toy ny andevolahy miandry faty, ka izay mahery vava no lohany.
niryna
13.
Aza manao toy ny fary ka ny lohany indray no matsatso.
aivetinakely
14.
sola be mangery amin, ny andro diavolana, tsy fantatra ny lohany sy ny vodiny.
samson
15.
aza tsy tia vady, fa tsy ny voalohany no vady, fa ny farany
latina
16.
sola mangery diavolana ka tsy fantatra intsony ny lohany sy ny vodiny
rindraintsoa
17.
Kapok'alikany be lamosina indray mifoaka ny tongony sy ny lohany
rafozanasket
18.
Ny hitsitokotokoan'ny lohany, hahasamihafa ny heviny
marozevo
19.
Toy ny sola milomano ka tsy fantatra intsony izay lohany sy vodiny
winky
20.
-Olo kola mangery andro davolagna;tsy hay lohany sy vodiny
salim
21.
Jamba milomano ka izay hidonan'ny lohany no iakarany.
panjakely
22.
Sola mangery diavolana tsy fantatra izay lohany sy vodiny.
fily
23.
Vary lena voatoto ka samy te-ho lohany
jentilisa
24.
Sola mangery diavolana, tsy fantatra izay lohany sy vodiny
JMR
25.
Te hanana ny lohany nefa matahotra ny masony
JMR
26.
Vary lena voatoto : ka samy te-ho lohany
hery
27.
Toto vary lena ka samy te-ho lohany
hery
1
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0984