Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe mahita
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
mahita
Hampiditra ohabolana
1.
Tanora mahita fotsim-bary ka arotsahy ihany no ao antsaina
RIJA08
2.
toko tapaka vilany mitongilana na be na kely fa izay mahita ny marina mba milazà
marsonxavier5
3.
Mahita volana alohan-dRabiby.
phales
4.
Varimbarian'ny lavitra ka tsy mahita ny ambany maso..
Ny_Arlinah
5.
Tezitra alohan'ny rariny, ka tsy mahita ny hasiana ny hitsiny
fanantenanahadji
6.
aza manao fisitrihan'alika, rehefa tsy mahita dia hoe tsy hita
lomahorano
7.
Didimason'ny be lanonana, mitomany mahita soa
omegaedvin
8.
Toy ny trondro voajono ny mpifoka sigara.Mahita tsirony kely izy,nefa maty avy eo.
tiaviniainagasy
9.
Tsy mitsinjo ny farany ohatra ny andevo mahita fotsim-bary
todisoaerickbruno9
10.
Be hambo tahaka ilay jamba ka milaza fa mahita kitana mitatao vovona
NYAMI
11.
Jamba misikidy;mahita masoandro ho an'olona,fa tsy mahita ho an-tena.
FENOSOA2
12.
Mahita amboa miady taolana ka mahatsiaro ny hena fony nandro
yveratsimb
13.
Olombelo-mandeha , tsy very fa mahita raha.
aivetinakely
14.
Manatsafa mahita toy ny mpaka afo
yveratsimb
15.
Fozaorana milelamolotra toa vodin'alika mahita sakay
josla
16.
Vorontsiloza , fa loza ihany raha mahita tsaramaso eny am-paniriana.
soanja
17.
Mahita ny akanga tsara soratra ka manary ny akoho mavon-drazana.
soanja
18.
Ny tsiny tsy misy maso fa mahita, tsy manantandroka fa manoto, tsy manana nify fa manaikitra, an-koditra vao mahangoly
walte
19.
Takatra mihomehy dangoro, tsy mahita ny ambany laikany.
aivetinakely
20.
Voangaly tsy maty amin'ny hazo tokana ny aty, ka mahita foana vao mivoaka ny trano.
aivetinakely
21.
Manary vady tanora, tsy kakerin'ny nenina fotsiny fa mandraiki-marary isaky ny mahita azy.
aivetinakely
22.
Aza varimbariana ny lavitra ka tsy mahita ny ambany maso mamiratra.
aivetinakely
23.
Tamàn-trano tahaka ny akoho ka tsy mahita remby hameloman'anaka
aivetinakely
24.
Izay tsy manampaharetana tsy mahita vokatsoa.
niryna
25.
Toy ny tovolahy mahita fotsiymbary, ka Arotsahy, arotsahy ihany
kanto1
26.
Kamo mindrana angady ka aza mahita anie aho.
aivetinakely
27.
Tsy mino vary lany raha tsy mahita ny faran-kady mangeroka.
aivetinakely
28.
Tovolahy mahita fotsim-bary:arotsahy, arotsahy ihany.
aivetinakely
29.
Mahita ny akanga tsara soratra ka manary ny akoho taman-trano
niryna
30.
Mahita ny akanga tsara soratra, koa manary ny akoho zarianagny.
ilanto
1
2
3
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0179