Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe maniry
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
maniry
Hampiditra ohabolana
1.
Andriana mifamofo amin'andevo ka maniry midina toa volo-kelika
oely89
2.
Maniry manitra ohatra ny alika miambozon-koditra
yveratsimb
3.
fitia miara-maniry, ka raha lany ny anao dia lany koa ny azy.
itaramasoandro
4.
Nahoana no maniry manitra hoatra ny boka anaty tapia?
soanja
5.
Mba ataovy toy ny anana lahy, ka raha maniry, tsongoy.
soanja
6.
Amberivatry maniry amin'ny tany mena ka tsy maintsy maka volon-tany.
aivetinakely
7.
Katsaka maniry an-tanety na baby tokana aza tsy misy.
aivetinakely
8.
Aza maniry ho foza, fa na mijoro aza mihorirana foana.
aivetinakely
9.
Izay maniry ny hipetraka eny amin'ny masoandro dia efa tokony hiereritrirtra ny zava-mandoro azy sahady
niryna
10.
Tokony hitondra elo izay maniry ny orana ho avy
niryna
11.
Ny fitia toy ny ketsa ka raha maniry mora hafindra
niryna
12.
Mpaka zaza tam-po maniry hanan'anaka, rehefa tena mitady tsy mahazo intsony.
ilanto
13.
Maniry manitra tahaka ny saka miravaka hoditra.
aivetinakely
14.
fitia miara-maniry, ka raha lany ny anao dia lany koa ny ahy
latina
15.
Ny fitia toy ny ketsa, ka raha afindra dia maniry
latina
16.
Ny mpanota maniry ny andro ho maizina; kanefa ny jamba tsy azo ahoana.
latina
17.
Toy ny ovy am-bato ny olona, maniry ihany fa tsy tomombana
latina
18.
amboa lahy miambozon-koditra: maniry hanina an-tenda
latina
19.
raha mpamosavy azo nanitsaka, ataovy toy ny anana, ka raha maniry, tsongoy
latina
20.
itony mpamosavy tsy mivovo mba handosirana, ary tsy maniry tandroka mba hiviliana
latina
21.
raha maniry ny an' ny hafa asandrato ny an 'ny tena
bozimanga
22.
Toy ny mpamosavy tsy mba mivovo mba handosirana, ary tsy maniry tandroka mba hiviliana
jentilisa
23.
Ny handrina no tsy maniry volo, ny henatra.
lanto
1
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1534