Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe miady
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
miady
Hampiditra ohabolana
1.
ratsy tarehy miady lehilahy tsy matahotra ny ho very anjara
poussyratre
2.
Tsy misy tanora natao tsy hiavona, fa rehefa antitra miady lohalika.
Ny_Arlinah
3.
Aza miady vitana amin'ny akoho.
Topher
4.
ny saka sy ny alika miady ka miady hatramin'ny adala , mpvady miady ko ny zaza ao an trano no darohana
2016
5.
Ny amalona aza hono mba miady nefa samy malama, maika fa isika olombelona.
aivetinakely
6.
Ny valala vôna agn'Isandra ko agnareo fa miady fagnendezana
OZ16
7.
Tsy misy tanora tsy nijoro fa rehefa antitra miady lohalika
OZ16
8.
Matavy miady, ny mamely tsemboka, ny asiana tsemboka
hery
9.
Ny olona no miady, ny marina no avoaka
yveratsimb
10.
Akoholahy jamba ka ampiadiana tsy mety miady, apetraka mitsaingoka ny namany.
aivetinakely
11.
Akoholahy miady am-pasika, ka samy miaro ny masony tsy ho ditsoka.
aivetinakely
12.
Mahita amboa miady taolana ka mahatsiaro ny hena fony nandro
yveratsimb
13.
Akoholahy miady am-pasika : samy miaro ny masony tsy ho ditsika
yveratsimb
14.
Aza manao toy ny laona sy fanoto; Ka izy mivady no miady ka ny ankizy no voatorotoro.
Bita
15.
Fa ny telo no tsara noho ny roa ,raha miady misy manasaraka.
raba
16.
Akanga lahy miady tsatsangotra: sola loha foagna. (Ohabolana BETSIMISARAKA)
soanja
17.
Miady amin'ny andevo ka fahavizanana no hita.
soanja
18.
Tovovavy miady an-tanana ka tsy avelan'ny fantsakana tsy hiray.
soanja
19.
Tsy miady ny angely raha tokam-pilana.
soanja
20.
Aza mampalahelo vehivavy, fa Andriamanitra no miady ho azy.
aivetinakely
21.
Raha miady izahay sy ny azy tsy aleon'ny naterany
niryna
22.
Aza mba mamitaka jamba fa ny Tompo no miady ho azy.
aivetinakely
23.
Aza mampanantena volana tahaka ny olona miady fahefàna.
aivetinakely
24.
Ny miady tsy mifamahan-tantely
aivetinakely
25.
mifangaroharo be ihany toy ny boka miady, tsa mba fatatsa koa ny fetrika (totohondry) sy ny tehaka (tehamaina na koa tehampify)
ridads
26.
mifangaroharo be ihany toy ny boka miady, tsa mba fatatsa koa ny fetrika sy ny tehaka
ridads
27.
Ny rano no miady fidinana fa ny rivotra miady fiakarana; ny olombelona miady voninahitra.
aivetinakely
28.
Aleo miady toy izay mankany Ankaratra tsy misy olona
niryna
29.
Tsy misy tanora natao tsy hijihina, fa rehefa antitra miady lohalika
zanakantitra
30.
izay tsy miady olo-bodo fa izay tohy fo mpamosavy
ravaux
1
2
3
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0898