Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe miala
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
miala
Hampiditra ohabolana
1.
Zay Miala Moramora Tsy Midika Hoe Resy,fa Fagnajana Mba Tsy Hisy Adiady
Avoss
2.
Ady amin' adala, ka ny hery no miala.
BEDOGAIGY
3.
Vorombola miaraka amin'ny akoho, miala fa tsy havanay.
yveratsimb
4.
Ody valalan'ny tsy mahay, ka voky dia miala
yveratsimb
5.
Vorom-bola miaraka amin'akoho, mialĂ fa tsy havanay
yveratsimb
6.
Vorondolo miaraka amin'akoho: miala fa tsy havanay. (Ohabolana BETSIMISARAKA)
soanja
7.
Mpanompolahy latsaka avara-patana ka saro-miala.
soanja
8.
Vahiny tsy nampoizina, na manam-boninahitra aza miala tsiny.
aivetinakely
9.
miala maina toy ny avy nandevina alika, ny mpamangy tsy misy ny ho vangina tsy misy
dziana
10.
miala maina ohatry ny voatay fa nangery ambony vato ny tsaiky.
01
11.
Miasa amin'Atra, ny karama tsy dia betsaka fa ny fisotrona ronona rahatrizay dia ny miala amin'ity tany ity.
niryna
12.
Tsy afa -miala toy ny voalavo latsaka ambilanibe
niryna
13.
Vorombolo miaraka amin'ny akoho, miala fa tsy havanay
niryna
14.
Tsy mety raha miala maina toy ny mandevina amboa.
niryna
15.
Ady amin'adala ka ny hendry no miala
latina
16.
miala an'akatso dia ambohidepona
doum
17.
Ady amin'ny adala, ka ny hendry no miala
LouAnne
18.
Voalavo latsaka am-bilanibe ka tsy afa-miala
McFy
19.
Ady amin'ny adala ka ny hendry no miala
McFy
20.
Toy ny mitari-drano ririnina : miala amin'izay nitoerany, fa tsy tonga amin'izay alehany
hery
1
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0828