Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe mitsako
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
mitsako
Hampiditra ohabolana
1.
Aza mitsako alohan'ny vazana
Aimpo
2.
Raha ny rainy ve ny mitsako sy mihinana ny marikivy, dia avy eo ny zanany lasa madilo nify
tahiana.dafy2015
3.
Maha latsa ahy ty akoho tsy mitsako ro toro tay!
vorihery
4.
Lambo mitsako moka, ka sitrany ahay vaza-mihetsika
yveratsimb
5.
"Sitrany ahay vaza-mihetsika", hoy ilay lambo mitsako moka.
soanja
6.
Aza mitsako alohan`ny vazana
josiah
7.
mitsako tsy ré, koa kenda vao hoe:domy aho ranaotra
Raherizo
8.
Lany fika toy ny banga mitsako valala, haloa: moa ny raha matsiro, hatelina : matahotra sao kenda.
sylvoalias
9.
Aza mitsako alohan'ny vazana, ary aza matory alohan'ny tsihy.
aivetinakely
10.
Na maika tahaka ny inona aza, tsy fanao ny mitsako alohan'ny vazana, na matory alohan'ny tsihy.
aivetinakely
11.
Misy rony, miara-misotro, misy ventiny, miara-mitsako
latina
12.
-Mpiandry omby volavita: tsy tompony fa mpamerin-doha. -ny omby mahia no hanina, ny ao am-pahatra mahamena-maso. -lambolahy mitsako moka, ka sitrany ahay izay vaza-mihetsika.
nanapiso
13.
Mitsako an-tsena, ka ny sofina no miampaga azy
zouzou
14.
Aza manao tehina mialoha andriana na mitsako alohan'ny vazana
jentilisa
15.
Mitsako tsy re, ka kenda vao hoe domy aho Ranaotra a!
JMR
16.
Tsy mety ny mitsako alohan'ny vazana, na kely mialoha andriana tahaka ny tehina
jentilisa
17.
Soa kenda hahay mitsako; soa lavo hahay mamindra.
lanto
1
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.287