Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe mpivady
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
mpivady
Hampiditra ohabolana
1.
Mifampijerijery fotsiny toy ny mpivady vao
Azrael666
2.
Toy ny mpivady miara-miasa, menatra ny hifampi-baiko.
MpitadyHasambarana
3.
Rehefa manan-katao ny mpivady, atonta hehy, atonta hehy... rehefa tsy misy ny hatokona atonta ady, atonta ady...
fara2020
4.
Ny lahy samy lahy na vavy samy vavy tsy mahazo miray ara nofo na mpiavana na mpiraitampoha fa ny mpivady ihany no afaka miray aranofo vita mariazy sy vita soratra arampanjakana
andriamena45
5.
ny mpivady no tsy miresaka, very ny androatokom-pitiavana
mpikabary
6.
Mifaneritery an-tanimalalaka tahaka ny mpivady vao.
juste2
7.
Mpivady tsy mifandefitra, tsy vitan'ny rava harena, fa mbola mampisotry zaza.
aivetinakely
8.
Mitranga matetika toy ny fifandiran'ny mpivady.
ikalamako
9.
Mitranga matetika ohatra ny fifandiran'ny mpivady
latina
10.
Miady maraina, tsara hariva; miady hariva, tsara maraina, toy ny mpivady
latina
11.
tsy ny donak'afo no mahafana ny trano, fa ny mpivady mifanara-draharaha
latina
12.
Mpivady iray lainga ka faty no isarahana
latina
13.
manaonao foana ohatran'ny mpivady tsy miteraka
vanjanofy
14.
Mpivady mifanara-tsaina ka lany hatramin'ny akoho mikotrika
laolo
15.
Raha tsy mifanaja ho mpivady, aleo mifanaja ho mpianadahy
zouzou
16.
Mitranga matetika tahaka ny adin'ny mpivady
jentilisa
17.
Ny mpivady iray lainga
JMR
18.
adin'ny mpivady: tokoam-bary aza iadiana
jentilisa
19.
Tsy ny donak'afo no mahafana ny trano, fa ny mpivady mifanara-draharaha.
jentilisa
20.
raha tsy mifanaja ho mpivady aleo mifanaja ho mpianadahy
jentilisa
1
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.2882