Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe ombilahy
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
ombilahy
Hampiditra ohabolana
1.
Ombilahy miasa, ka izay manao ihany no voakaravasy
Miarokimialy
2.
Ombilahy tsara feo, ka ny vavany no mahalafo azy
nestorktv
3.
Ombilahy be vozona ka tsy mifidy tany hiadiana.
aivetinakely
4.
Ombilahy isangodinan'ny menarana, ka raha omby ny vavany tonon'andro ny ho faty.
aivetinakely
5.
Aza manao tahaka ny vorontsiloza : mikorefarefa tsy ankizivavy, dia izy ihany ; manakora tsy adin'ombilahy, dia izy ihany ; miambozom-boahangy tsy renin-jaza, dia izy ihany ; midoboka tsyampongabe, dia izy ihany.
yveratsimb
6.
Ombilahy mandeha hosy ka miomàna hisolo ny asan'ny sasany.
aivetinakely
7.
Ny anan-dRay aman-dReny hono hoe toy ny tsipak'ombilahy ka raha mahavoa mahafaty fa tsy mahavoa kosa mahafanina.!
sylvoalias
8.
Ombilahy mifaoka am-botry ka mavon'ny nataony
latina
9.
Rafotsibe miandry ombilahy, ka manaraka am-bokony
latina
10.
Ombivavy no marary, ka ombilahy no saram-panàfana
latina
1
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1019