Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe orina
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
orina
Hampiditra ohabolana
1.
Fitia miorina an-daba-pako, ka anjakan’ny adala. Ny Andri-Fara 05.09.2003
SANAKERIB
2.
Ny fahadiovana sy ny filaminana, ny fiasana sy ny fitsitsiana : izay tokan-trano miorina amin'izany tsy mba ho rava
yveratsimb
3.
Mafy orina tahaka ny vatolampy ny fitiavana, ka tsy azo hozongozonina.
aivetinakely
4.
Aza mitangorina ohatran'ny voangory ritra
niryna
5.
Aza mangidihidy hatraorina
niryna
6.
Ny nenina tsy eo aloha hananatra fa ao aorina handatsa
doum
7.
Ny lainga toy ny nify maharary ka ny esorina no mahatsara azy
JMR
8.
Manalasala toy ny parasy am-pitombenana, avela mangidihidy, haorina manamaimbo tanana!
JMR
9.
Atody makakoa latsaka an-dalana, samborina izy maty ny ray; avela izy, maty ny reny.
ftma
10.
Ny nenina tsy aloha hananatra, fa aorina handatsa
JMR
11.
Fitia naorina teny am-pakana kitay no rava eo am-pisoronana afo
ravaky
12.
Toy ny osivavy somorina : ny lova tamin-dray tsy avela, ary ny hetra tamin-dreny tsy diso.
hery
1
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.6131