Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe poana
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
poana
Hampiditra ohabolana
1.
Mitangorongorom-poana toa voangory ho ritra
hery
2.
Ny heloka nilaozana tonga hitsiny fa ny rariny itompoana tonga raiben-keloka
yveratsimb
3.
Ny fanompoana tahaka ny lanitra, ka samy miloloha ny tandrifiny avy.
yveratsimb
4.
Fitaka ny fahatsaram-bika, ary zava-poana ny fahatsaran-tarehy, fany vehivavy matahotra an' i Jehovah ihany no hoderaina.
2N.E
5.
Ny fanompoana folo elatra ahina: ahina mahavelona, tsy ahina mahafaty.
soanja
6.
Ny fanompoana tahaka ny lanitra, ka samy miloloha ny tandrifiny.
soanja
7.
Tahaka ny hadi-voanjo ny fanompoana: ka tsy ny momba ny tahony ihany no atao an-karona, fa ny mipetraka amin'ny tany hohazan-tanana koa mba hamenoana ny harona.
soanja
8.
Ny fanompoana aza atao andran-drano: ka raha marivo hotsobohina, ary raha lalin-kihemorana.
soanja
9.
Tahaka ny jorery ny fanompoana, ka na dia tapaka aza ny tongony aman-tanany mbola mimenomenona ihany izy.
soanja
10.
sasam-poana toy ilay mpanao zaridaina niompy ankoho
bobone
11.
Manjenjem-poana toa ny alala azon'ody.
niryna
12.
Araraoty ny andro hanaovan-tsoa fa zava-poana izao rehetra izao
niryna
13.
Izay miasa ny taniny dia ho voky hanina;Fa izay manaraka ny olom-poana ho voky alaheko kosa.
niryna
14.
Fitaka ny fahatsaram-bika ary zava-poana ny fahatsaran-tarehy.Fa ny vehivavy matahotra an'i Jehovah ihany no ho deraina
niryna
15.
Mizo-poana toa omby vonoina
latina
16.
Tsinay tsy mivora-poana
latina
17.
sasa - poana ohatry ny voalavo manaiki - by
dadou
18.
Kitapo tama-misy vola, ka raha mikointsam-poana mahamenatra.
jefra
19.
ny fanompoana tahaka ny endim-boanjo: ny madinika ihany no may.
jentilisa
20.
Mitsangam-poana toa kiady
McFy
21.
Ny heloka nilaozana tonga hitsiny, fa ny rariny itompoana tonga raiben-keloka
McFy
22.
Ny heloka nilaozana tonga hitsiny, fa ny rariny itompoana tonga raiben-keloka.
lanto
23.
Aza mitoe-poana ohatry ny vato : ny lehibe tsy miteny, ny kely tsy misy mpananatra
hery
1
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0779