Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe ratsy
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
ratsy
Hampiditra ohabolana
91.
Tanora ratsy fihary ka antitra vao ratsy laoka.
aivetinakely
92.
Varotra tsy raikitra tsy maharatsy fihavanana.
aivetinakely
93.
Mpamosavy namosavy boka, matin'ny olon-dratsy ny olon-tsivanona
niryna
94.
Lolompon-kovalahy, tsy miseho tsy ratsy tany
niryna
95.
Mpamosavy namosavy boka, ka natin'ny olon-dratsy ny olon-tsy vanona.
niryna
96.
Nahoana no faly asiandratsy toa tsihy.
niryna
97.
Miadan-dratsy tahaka ny boka may trano.
aivetinakely
98.
Ny soa atao levenam-bola, ny ratsy atao loza mihantona.
aivetinakely
99.
Tanora ratsy fiary antitra vao ratsy laoka
niryna
100.
Tanora ratsy fihary, ka antitra vao ratsy laoka.
aivetinakely
101.
Aleo ratsy tarehy ka tsara fanahy, toy izay tsara tarehy fa ratsy fanahy.
niryna
102.
Ratsy atao amin-kavana, izay mahavita be no manenina
aivetinakely
103.
Ratsy tarehy mitaratra ka ny volo no aolakolaka
aivetinakely
104.
Ny kianja no tsy anaovan-dratsy ny lalao mbola ho ela.
lanto
105.
Ny olona mora soa sy mora ratsy.
niryna
106.
Ny anarana toy ny tanim-boanjo ka izay kely famaritra no ratsy.
niryna
107.
Ny tarehy ratsy tsy azo hovana fa ny fanahy ratsy kosa azo ovana
niryna
108.
Vava soa sakafo, teny ratsy adidy.
niryna
109.
Ny anarana no tanim-boanjo ;ka izay kely famaritra no ratsy.
niryna
110.
Ny ondry boka manaratsy ny namany.
niryna
111.
Ny havan-dratsy tsy mahaleo ny sakaiza tiana.
niryna
112.
Toy ny fandiorano ny ratsy;koa miseho, tsy menatra olona;misitrika tsy valahara.
niryna
113.
Ny tarehy no ratsy ka ny volo no aolanolana
latina
114.
izay manao ratsy: raha tsy malazon'ny andro, mantsasaky ny alina.
latina
115.
Ny manao soa tsy mba mahafaty antoka, fa ny manao ratsy enjehin'ny nataony
latina
116.
Mifanaratsy an-toerana ohatra an-dRafotsibe mitanin'andro
latina
117.
Toy ny vero: tsara faniry fa ratsy antitra
latina
118.
Tahaka ny antitra mitomany:maika loza miketrona manaratsy tena
latina
119.
Miadan-dratsy ohatra ny boka mitery omby
latina
120.
Ny toerana no tsy lavorary, ny trano atsimo sy avaratra no mifanaratsy
latina
Voalohany
Mialoha
2
3
4
5
6
Manaraka
Farany
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0248