Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe rery
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
rery
Hampiditra ohabolana
1.
Matikambo milaza tsy tia nefa avela irery milela-bilia.
Ny_Arlinah
2.
"Zaza nilaozan_tsakaiza ka milalao vovoka irery"
MATOKYAH
3.
Ananao daholo ny zavatra rehetra kanefa hianao mbola mahatsiaro ho singan'irery ihany
niryna
4.
Tadidio fa irery isika amin'ity fiainana ity.
niryna
5.
Ny eritreritra dia toy ny papango rivotra ka misidina irery avo dia avo.
niryna
6.
Mandeha irery, sahalain'Andriamanitra, mandeha roa, sahalain'olombelona.
yveratsimb
7.
Raha soasoa no ataon-dRahavana, izaho irery mahatankadivory, roa lahy mahatana arivo
yveratsimb
8.
Aza mody milaza fa tsy tompon'andraikitra amin'ny zavatra atao.Andriamanitra irery no mahalala ny ao am-po tsy miafina.
niryna
9.
Tsy misy afaka anome torohevitra tsara ho anao raha tsy hianao irery ihany
niryna
10.
Tahaka ny jorery ny fanompoana, ka na dia tapaka aza ny tongony aman-tanany mbola mimenomenona ihany izy.
soanja
11.
Salamanga mandihy irery, ilaozan-kitehaka, tsy hisy handihy; ilaozan-kandihy tsy hisy hitehaka.
soanja
12.
Vorona tokana anosy ka miherikerika irery.
soanja
13.
Hazo tokana an-kadilanana, ka tenain-drivotra irery.
soanja
14.
Taitra ny olona tsy mba taitra ka taitra irery vao mamaky takotra.
soanja
15.
Ankizy nilaozan-tsakaiza ka milalao vovoka irery.
soanja
16.
Tsy mahataitra tahaka ny ranomason-jorery, izay miraraka de very.
aivetinakely
17.
Mandeha roa salahain'olombelona, mandeha irery salahain-Janahary.
aivetinakely
18.
Mahantra ny tia irery.
aivetinakely
19.
Ny fiainana ihany no atao hoe fiainana, ny herimbaratra ihany no mamaoka herimbaratra, ka ny fahafantaranao anao dia mampanakarena anao irery
niryna
20.
Izay tsy mino afatsy ny tenany irery ihany no miafara amin'ny fisaraham-panambadiana
niryna
21.
Vorona tokona amoron-drano ka miherikerika irery
niryna
22.
Izay tsy mihevitra afatsy ny tenany irery dia miaina ao anatin'ny tsy te ahalala ny fiainana
niryna
23.
Toy ny miresaka amim-bazimba ka miteny irery
niryna
24.
Amboa nihaza jorery ka ny feo no re
niryna
25.
Taitra ny olona tsy mba taitra ka taitra rery vao mamaky takotra.
sylvoalias
26.
Mihomehy hianao, mihomehy ny rehetra, mitomany kosa hianao dia hianao irery no manao izany
niryna
27.
Ny mandeha irery salahain'Andriamanitra, ny mandeha roa salahain'olombelona.
aivetinakely
28.
Ny vy tsy mikitrana irery.
niryna
29.
Taitra ny olona tsy mba taitra ka taitra irery vao mamaky takotra
niryna
30.
Tanora nilaozan-tsakaiza ka milalao vovoka irery
niryna
1
2
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0168