Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe resaka
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
resaka
Hampiditra ohabolana
1.
Mpifankatia tsy miresaka, lany androantokom-pitiavana
OZ16
2.
Nahoana manao amin'ny jamba hoe, jereo amin'ny maso tsy miangatra, na amin'ny moana hoe, ento ny resaka fa ianao no zokiny.
Rakotoaly
3.
Ankatso sy Ambohidepona hono no mifankahita fa tsy mba miresaka, mifampitazana tsy mba mitafa, ny maraina mifampilongilongy ny hariva mifanakona aloka.
aivetinakely
4.
ny mpivady no tsy miresaka, very ny androatokom-pitiavana
mpikabary
5.
zaza kamboty manara-drindrina ka mihaino resaka sa miandry mpitsetra
kiriah
6.
ny resaka raha tsy atao foana ny mamerina azy no tsy efa
kiriah
7.
Tsy hampiova na inona na inona ny resaka raha tsy atao amin'ny fihetsika
niryna
8.
Izay tsara vady mahay miresaka, fa ny vady mpamitaka toa ny afo antampon-doha ka sady mandoro no mahafaty.
aivetinakely
9.
Valala mitafa ambony vato, ny kibo may, ny resaka tsy azo.
aivetinakely
10.
Very anjara tahaka ny fitia vazivazy, hamerin-dresaka mahamenatra, tsy hiteny tia ihany
aivetinakely
11.
Toy ny miresaka amim-bazimba ka miteny irery
niryna
12.
Ny fifosana no manimba ny mpiara-monina, fadio ny olona be resaka
niryna
13.
tiam-bady ka mahay miresaka
latina
14.
Ny kibobo no mena-maso: miresaka amin'ny Vazimba
latina
15.
Miteny irery toy ny miresaka amim-bazimba
latina
16.
Be resaka ohatran'Ambositra fa tsy mahaleo an'Ambodivoara
latina
17.
Mpifankatia tsy miresaka ka very ny roatokom-pitiavana
ninise
18.
Raha mpifankatia tsy miresaka, hono, very ny androan-tokom-pitiavana.
marozevo
19.
Raha lava ny ahitra very ny kisoa ary raha lava ny resaka very ny soa
doum
20.
Ny resaka tsy mba masiso
JMR
21.
mpitadi-bato tsy mihoraka very ny androatokon'aina. ary mifankatia tsy miresaka very ny androatokom-pitiavana
jentilisa
22.
Zaza no tsy hilalao mandihiza ho tanora. Tanora no tsy handihy mitafĂ ho lehibe. Lehibe tsy hiresaka midira ho antitra. Antitra tsy hitso-drano, mitahian-ko razana, fa raha razana tsy hitahy mifohaza hiady vomanga
jentilisa
23.
Be resaka sahala amin'ny any Ambositra
jajaf401
1
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0776