Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe setra
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
setra
Hampiditra ohabolana
1.
Ny tsiny, mantsy, tahaka ny haran-domotra saron-javona ka izay mitsakatsaka ratsy fisikina no solafaky ny setrasetran-tsahondra ka zary very faty eny an-tenantenan-tsolatra
tantanana
2.
Tsy misy zavan-tsy zaka mihoatra ny fanambadian-tery setra.
aivetinakely
3.
Lahy antitra misafosafo ny rahany...ka mitsetsetra ,mitanisa mahatsiaro ny lasa...
sylvoalias
4.
Ny anivona tsy mila antsetra, ny mpilotra tsy ilana tahony, fa izay mikendry no mahavoa.
soanja
5.
zaza kamboty manara-drindrina ka mihaino resaka sa miandry mpitsetra
kiriah
6.
"Aleo sakafo anana hampian-tsetsetra toy izay omby mifahy asiann-dromoromo" Aleo ny kely omban'ny fahamarinana toy izay harem-bevava azo amin'ny tsy rariny"
mpoon
7.
zazakely manina ka any an-doha no manetsetra.
aivetinakely
8.
Tsy manan-kantenaina tahaka ny maty havana akaiky, Tsy manam-pitsetra tahaka ny maty olo-malala.
aivetinakely
9.
Fitia anterisetra ka miandry ny andro hanoherany.
aivetinakely
10.
Toy ny haran-domotra saron-javona ka izay misakasaka ratsy fisikina no solafaky ny setrasetran-tsahondra ka zary very faty an-tenantenan-tsolatra !
ontsy
11.
Aleo ravim-bomanga arahin-tsetsetra, toy izay hena kisoa arahin-dromoromo.
aivetinakely
12.
Aleo ravim-bomanga arahin-tsentsetra, toy izay hena kisoa arahin-dromoromo.
aivetinakely
13.
Tsy misy zavan-tsy zaka tahaka ny fanambadiana natao an-terisetra.
aivetinakely
14.
Aleo ravim-bomanga arahin-tsetsetra, toy izay hena kisoa arahin-dromoromo.
aivetinakely
15.
fanambadian-tery setra dia ranomaso mivalana an-tava ihany
latina
16.
zava-tsy zaka ny fanambadian-tery setra
latina
17.
Aleo ravim-bomanga arahin-tsetsetra toy izay henan-kisoa arahin-dromoromo.
fily
18.
Be setrasetra ka mamely daka rafozana
jentilisa
1
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0233