Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe tandroka
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
tandroka
Hampiditra ohabolana
1.
"aza midongy ho avo hoatra ny tandroka, na ho ambony hoatra ny trafo, fa tsy ny ambony no hajaina, fa izay hajaina no ambony"
tenymamy
2.
Omby lahy nanonto vatolampy ka bory tandroka amin'ny adalany
kels
3.
omby mahia be tandroka ka mizaka ny tsy eran'ny aina
Nyavorakoto
4.
Ondrilahin'Ambohimangidy: hondrihondriny iraimbilanja; lava tandroka vao lasiventy.
soanja
5.
Sady tia bory, tia manan-tandroka. (Ohabolana BETSIMISARAKA)
soanja
6.
Ny tsiny tsy misy maso fa mahita, tsy manantandroka fa manoto, tsy manana nify fa manaikitra, an-koditra vao mahangoly
walte
7.
Ombimahia lavatandroka, tsy voninahitra ho an'ny tompony fa famenoana isa fotsiny.
aivetinakely
8.
Ny tsiny dia tahaka ny valan'omby tomerin-draketa : ka asakasak'izay te hankahatra loza, fa raha tsy hivoa-drĂ amin-tsilo aza tsy hamelan'i Menasanga marani-tandroka.
ontsy
9.
Natao sanga ka nanatona, natao tandroka ka nanoto
niryna
10.
ombalahy mahia be tandroka ka mizaka ny tsy eran'ny aina
elyzo
11.
Sola tsy noratraina, hono, ny akanga, menaloha tsy voadidy ny akoholahy, ary ny tandroka tsy niala tamin'ny loha omby, tsy takaitra fa voajanahary.
aivetinakely
12.
Andry ombin'Ifiringa adala, ka ny aloha voatora-tandroka, ary ny aoriana voafola-drambo
latina
13.
Sady tia bory no tia mana-tandroka
latina
14.
itony mpamosavy tsy mivovo mba handosirana, ary tsy maniry tandroka mba hiviliana
latina
15.
Ny adin-kabary toy ny dontany sy kapotandroka
jentilisa
16.
Ny fandio iray siny tsy mahaleo ny fandoto iray tandroka
JMR
17.
Toy ny mpamosavy tsy mba mivovo mba handosirana, ary tsy maniry tandroka mba hiviliana
jentilisa
18.
Tsy misy tandroka ny ratsy
jentilisa
1
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.2817