Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe tatatra
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
tatatra
Hampiditra ohabolana
1.
"Rehefa mety ny atao, na ny sahobakaka aza mampidi-drano an-tatatra, saingy rehefa tsy mety kosa, na ny ranon'apango misy voay"
ravelobe
2.
Kely vola ka mitatatra alohan'ny maro.
aivetinakely
3.
Kely fitia ka mitatatra fahavaratra.
aivetinakely
4.
Arivo tatatra ,zato renirano;ny faran'ny rano Ikopa ihany.
niryna
5.
Rafotsibe nadika tatatra, mampalalaka ny efa nikombona.
walte
6.
Rafotsy be mita tatatra ka manitatra ny efa mikombona.
01
7.
Ikopa no renirano malaza, ampian'ny tatatra arivo saha, ny foto-kazo no midoroboka, ny sampany sy ny rantsany no misandrahaka.
aivetinakely
8.
Aza mandray ombalahy latsaka an-tatatra fa raha afaka izy manoto.
niryna
9.
Vary vokatr'ibetsimitatatra, ka na tompony na tsy tompony samy mitazana avokoa.
niryna
10.
tsikovoka an-dobo: matavy tsy afahy, tsindrahaka an-tatatra, mahia tsy marary
latina
11.
Rafotsibe mandinga-tatatra ka manitatra ny efa mikatona
latina
12.
Rafotsy be manita-tatatra, manokatra ny efa mikombona
chichi
13.
Rafotsy be mita -tatatra ka manokatra ny efa mikombona
doum
14.
Mitatatra ho an'i Rainilezafy
JMR
15.
Anti-bavy mita tatatra, manokatra ny efa mikatona
JMR
16.
ramatoa be miampita tatatra ka manokatra ny efa mikatona
jazz666
17.
Antibavy nivikin-tatatra ka hanitatra ny efa nikombona.
jajaf401
18.
Vary vokatr'ibetsimitatatra, ka na tompony na tsy tompony samy mitazana avokoa
hery
1
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0874