Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe trosa
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
trosa
Hampiditra ohabolana
1.
Fihavanana tsy tiko ho rava no tsy anaovako trosa aminao
Jj.be
2.
Mitrosa etsy, mitrosa eroa, nony hamerim-bola koa mifararemotra
herrand_miri
3.
Kibaroa tsy atrosa
Longonao
4.
Takitrosa amin'andriana ka ny tompony indray no manambitamby.
aivetinakely
5.
Akoho mihehy tany, tsy haitraitra fa famerena-trosa.
aivetinakely
6.
Miari-tory alin-draika, fito andro manefa trosa
aivetinakely
7.
Ny mpiantoka very alohan'ny mpitrosa.
aivetinakely
8.
Kamolahy be tenda, ka mangatak'andro hamerenan-trosa.
aivetinakely
9.
Trosa nahasoa ka mahasify raha tsy efaina
aivetinakely
1
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0227