Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe tsapa
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
tsapa
Hampiditra ohabolana
1.
Ny ankizy no tia tsapa fatana, ny Ray aman-dReny no tia tonotono.
patrickmjk
2.
Ny fanambadiana toy antsapaka , ao ny mahazo ny trafony ao ny mahazo ny rambony
aivetinakely
3.
tafondro izany hoy ny feon'ilay jamba voatsapa
doly1
4.
Ny fahasambarana, hono, tsy tsapa raha tsy ifampizarana amin'ny hafa.
soanja
5.
Antsapaka ny fitiavana, ka samy mandray sy mifaly amin'ny tandrifiny.
aivetinakely
6.
Antsapaka ny fanambadiana ka ao ny mahazo ny trafony, ao ny tandrify ny tandrony.
aivetinakely
7.
Tsapatsapa vodin'akoho, raha tsy tay dia atody.
king58
8.
Ny zaza fanomezana ka izay manana maro no tsy mahatsapa ny hasaro-bidiny.
aivetinakely
9.
tsapa-sokin-dRainiboka, ka ny azo ihany no avadibadika
latina
10.
Feony ihany, hoy ilay jamba mitsapa tafondro
latina
11.
Mitsapatsapa vodin'akoho: raha tsy tay atody
roscarb
12.
Mba sitran'ahay hoy ty vinanto nitsapa nonon-drafoza
roscarb
13.
Tsapatsapa vodin'akoho : raha tsy tay dia atody
JMR
1
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0693