Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe vahiny
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
vahiny
Hampiditra ohabolana
1.
Vary amin'anana tonga vahiny ka mamory kitoza tsy fidiny
Zohimbato
2.
Tana mian'ala, ka tsy vahiny amin'ny lokon'ny voahary
lehsabotsy
3.
Manasa vahiny tsy avy hihinagna, sady vôky no afaka adidy
OZ16
4.
Vahiny vôky, tsy iharagna angady
OZ16
5.
Aza manasakaiza vahiny
sylvianna
6.
Amboa mivahiny an-tany tsy fantatra, tonga tsy misy mpitsena, lasa tsy misy mpanatitra, atoandro tsy misy mpangoraka, harivariva misy mitoraka.
oely89
7.
Vahiny an-trano tokana, raha tsy maty voky ,maty noana.
aivetinakely
8.
Nanao soa vahiny: voky izy dia nilaozany
yveratsimb
9.
Mivahiny amin-kava-malahelo, ka saron'afo no hita.
niryna
10.
Mandefitra manana ny rariny toy ny vahiny voa-hitsaka
kiriah
11.
Roborobo no an'ny vahiny, fa ny tompon-trano no mandraoka ny lavenona.
soanja
12.
Vahiny tsy manan-tsisa ka isan'ny noana.
soanja
13.
Izay vahiny tonga miantrano ao aminao dia hevero toy ny noana sy reraka ary mangatsiaka ka karakarao mifandraika amin'izany izy na izy ireo.
soanja
14.
Faly sahirana tahaka ny vahiny tolorana vozon'akoho, jeren'ny maso toa hena azo hanina fa tsakoin'ny nify toa taolana mikarepoka.
thonli
15.
Vahiny tsy nampoizina, na manam-boninahitra aza miala tsiny.
aivetinakely
16.
tonga vahiny fahavaratra, , ny mandoto trano indray no tolorana sakafo
bobone
17.
Soavaly vahiny an'i Mahamasina, tsy mahalala ny départ sy arrivée
aivetinakely
18.
Ataonao ho soavaly vahiny angaha aho no tsy hahalala an'i Mahamasina
niryna
19.
Toy ny manao soa vahiny ka raha voky izy :dia ilaozany mody.
niryna
20.
Ny anatra vahiny: tiana, mody mandry, tsy tiana, mitampody
latina
21.
Ny anatra vahiny: tiana, mody mandry; tsy tiana, mitampody
rapala
22.
Ny vola toy ny vahiny: tonga anio, lasa rahampitso.
jefra
23.
Ny vola toa ny vahiny, tonga anio, lasa rahampitso
zouzou
24.
Mahatsara vahiny toy ny takariva mena masoandro
jentilisa
25.
Ny vola toy ny vahiny : tonga anio, lasa rahampitso
hery
26.
Mivahiny amin-kava-malahelo, ka soron'afo no hita
hery
27.
Nanasa vahiny tsy tonga, sady voky no afaka adidy
jentilisa
1
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0162