Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana
Lisitry ny ohabolana, anaty sokajy
vary
Hampiditra ohabolana
31.
Tsy mahafoy vola hamidy takotra, ka manta vary
hery
32.
Mena-maso an-daoka, ka manao fatra-maina
hery
33.
Miangolangola manan-drojo ! Zara raha misy hototoina
hery
34.
Aza miteny lango imason’ny vary
hery
35.
Ny lainga toy ny vary aloha : mahatra-po, fa tsy mahavita taona
hery
36.
Tsy nahin’ny sosoa no nitobaka, fa ny mpandoatra no vinitra
hery
37.
Aza miantsambotsambotra toy ny vary kely an-daona
hery
38.
Mitsaha-menomenona ohatry ny vary sosoa
hery
39.
Lon-damba sy fahenim-bary ; ka izay maharitra ela dia herinandro
hery
40.
Matin-kenamaso, ka mihinam-barim-boka
hery
41.
ny alahelo toy ny vary an-tsompitra; ka ahafahana iray fatambary isan'andro, dia ho levona ihany ny farany.
jentilisa
42.
Be raharaha ve dia ny voly vary indray no tsy efa?
jentilisa
43.
ny laona sy ny fanoto no miady ka ny vary ny mongo sy voaenda-damba
jentilisa
44.
Vomanga an-kady; amidy vola tsy lafo, atakalo vary tsy foy
McFy
45.
Vary vokatr'ibetsimitatatra, ka na tompony na tsy tompony samy mitazana avokoa
hery
1
2
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0124