Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana
Lisitry ny ohabolana rehetra
Hampiditra ohabolana
32761.
Aza ny tarehiko mavomavo no jerenao fa ny havako an-dilambato heverina
Fanja1
32762.
Tahaka ny jiafotsy : vao tsy ilaozan-kasokasoka, rovitra tsy hilaozan-dromoromo
hery
32763.
Didy maso tsara ondana, ka mandrimandry manana aretina.
hery
32764.
Vary vokatr'ibetsimitatatra, ka na tompony na tsy tompony samy mitazana avokoa
hery
32765.
Aleo kely fanahy sitrak'olona, toy izay be fanahy maty foana
hery
32766.
Aza manao masoandro ririnina, manjombona andro hihaonana ; fa aleo masoandro be lohataona, ka tsy mba manam-pahasosorana
hery
32767.
Toy ny mitari-drano ririnina : miala amin'izay nitoerany, fa tsy tonga amin'izay alehany
hery
32768.
Ny olombelona toy ny embok'akondro, raha manondro ny lanitra, iray ihany, fa raha miondrika, samy manana ny lafiny.
hery
32769.
Aza ny vato handrĂ tra ny loha ihany no sainina, fa mba hevero koa ny fasika handitsoka ny maso.
hery
32770.
Ny fihavanana tahaka ny volon-kotona, hatonina, manalavitra, halavirina manatona
hery
32771.
Ny olona marina ohatry ny vato lava sorona, ka izay ametrahana azy marina avokoa
hery
32772.
Aza manao toy ny voavahy : tsy mahajoro tena, fa mitomany hisarangotra ny sasany.
hery
32773.
Tahaka ny tokon-kena ny fanambadiana, ka ao ny sendra ny trafony, ary ao kosa ny sendrany lohaliny.
hery
32774.
Aza manao ganagana lahy : ny mitari-dalana indray no mihakely feo.
hery
32775.
Aza mitoe-poana ohatry ny vato : ny lehibe tsy miteny, ny kely tsy misy mpananatra
hery
32776.
Avo fijery Andriamanitra, ka mahita ny takona
eugene
32777.
Manao an'Andriamanitra tsy hisy, ka mitsambiki-mikipy
eugene
32778.
Ny olombelona voatr'ampangoro, ka mifandimby ambony sy ambany
eugene
32779.
Ny olombelona toy ny amalona an-drano ka be siasia
eugene
Voalohany
Mialoha
209
210
211
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0255