Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana
Lisitry ny ohabolana rehetra
Hampiditra ohabolana
6271.
Ny ratsy fo tsy mba manan-kavana
Fanja1
6272.
Aleo ratsy tarehy fa tsara fanahy, toy izay tsara tarehy fa ratsy fanahy
Fanja1
6273.
Aza manao gisalahy homan-ketsa ka ny homana ny an'olona indray no avo feo.
lanto
6274.
Andriamanitra tsy andrin'ny olona andriko ihany
Fanja1
6275.
Aza manendry tena ohatra ny alika ho any an-tsena.
lanto
6276.
Malaza ho lahy ka tsy mandry an-efitra!
lanto
6277.
Tapi-dalana aleha ohatra ny soki-manani-bato.
lanto
6278.
Valala voatango ka very fanahy mbola velona.
lanto
6279.
Na amboako na amboan'olona, izay vandana dia kary.
lanto
6280.
Ny heloka nilaozana tonga hitsiny, fa ny rariny itompoana tonga raiben-keloka.
lanto
6281.
Ny nenina tsy mipetraka hatao Mbay làlana, ary tsy mitsidika hatao Mandrosoa, fa aoriana vao mandatsa.
lanto
6282.
Ny nenina tsy aloha fa aoriana.
lanto
6283.
Matin-kena-maso, ka mihinam-barim-boka.
lanto
6284.
Soa kenda hahay mitsako; soa lavo hahay mamindra.
lanto
6285.
Mahery tsy maody tsy ela velona.
lanto
6286.
Fy ny toho, fy ny amalona, fa ny lelako tsy ataoko jono.
lanto
6287.
Manontany tsy loza, manjohy tsy atambo.
lanto
6288.
Ramalina aza mifehy hazo tokana.
lanto
6289.
Aza dia miandry teza ho potraka
hery
6290.
Ny mahery tsy maody tsy ela velona
hery
6291.
Tsy mba ny tsy avy no andrasana, fa ny vono-kalaina
hery
6292.
Izay mitambatra vato, izay misaraka fasika
hery
6293.
Ny mita be tsy lanin'ny mamba.
lanto
6294.
Ny maty aza te-ho maro.
lanto
6295.
Asa vadi-drano tsy vita tsy ifanakonana
hery
6296.
Ny hevitra tsy azo tsy amin'olombelona
hery
6297.
Aza ny havana no asian-dratsy, fa tsy ho tratry ny hafa tsy akory.
lanto
6298.
Aza mandalo tanà-misy havana.
lanto
6299.
Aza manao fihavanan'amboa ka taolana iray no isarahana.
lanto
6300.
Aza manao fihavan-molotra : tezitra vao mifanantona.
lanto
Voalohany
Mialoha
208
209
210
211
212
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0383