Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana
Lisitry ny ohabolana rehetra
Hampiditra ohabolana
6211.
Akoho tsy naneno hatrizay efa lanin'ny kary
vale
6212.
Atody tsy miady amim-bato
vale
6213.
Ankizy nilaozan-tsakaiza ka milalao vovoka irery
vale
6214.
Ny firaisan-kina no hery
vale
6215.
Ny tendrom-po tsy mba namana
vale
6216.
Vary sy rano an-tsaha tsy mifanary an-tanĂ na tsy mifandao
vale
6217.
Mitono tena toa lolofotsy
vale
6218.
Fatra-pifidy ny manganana ka sendra ny mangidy tsy ho telina
vale
6219.
Mita-be tsy lanin'ny mamba
vale
6220.
Tanan-kavia sy havanana ka izay didi-maharary
vale
6221.
Ny vola fitady, ny herim-po fanary
vale
6222.
Tsy misy Ray aman-dReny manolo-bato mafana ny zanany
vale
6223.
Aza manao fitiava-molotra tezitra vao mifanantona
vale
6224.
Tsy mahafoy hamidy takotra ka manta vary
ftma
6225.
Aza dia ny hodi-boanjo fanary no atao sakafo mahavita
ftma
6226.
Maka kitay manana ankizy, misorona afo manan-jiro, homa-maizina eo ampototry ny mazava.
ftma
6227.
Aza homa-maizina raha misy fanilo
ftma
6228.
Antibavy nivikin-tatatra ka hanitatra ny efa nikombona.
jajaf401
6229.
Be resaka sahala amin'ny any Ambositra
jajaf401
6230.
Ny tsy itenenan-dRavato hono no angerezan-dRavorona eo amboniny
jajaf401
6231.
Vava diso tsy mba kabary; teny diso tsy mba kilema.
ftma
6232.
Taolana ny nify ka mihomehy
ftma
6233.
Mandia tany ka lavo, miloloha lanitra ka lena.
ftma
6234.
Aza fady fa mateti-piavy toa ny sotrokely
ftma
6235.
Ny teny malemy mahamora harena
ftma
6236.
Be kibo mahihitra, ny an'olona ihany no tadiaviny hamenoana azy
ftma
6237.
Anaran-tany no Ambohimanambola fa ny manana ihany no manana
ftma
6238.
Tandremo fa ny valala tsy in-droa mandry am-bavahady
cielbleu
6239.
Aza manao an'Andriamanitra ho tsy misy ka hitsambiki-mikimpy
Vetso
6240.
Rafotsibe nisambo-balala, ny valala tsy azo, ny andilana tapaka.
robinhood
Voalohany
Mialoha
206
207
208
209
210
Manaraka
Farany
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0414