Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana
Lisitry ny ohabolana rehetra
Hampiditra ohabolana
6151.
(Aza manao) kely tsy mba mamindro
jentilisa
6152.
saro-tadiavina tahaka ny gisa mainty
jentilisa
6153.
indray mandeha ve no manta vary dia handevin-tsotrobe
jentilisa
6154.
Ny adalan'ny olona ihomehezana fa ny adalan'ny tena itafian-damba.
jentilisa
6155.
Izay adala no toa an-drainy.
jentilisa
6156.
ny anarana tanim-boanjo ka samy mamaritra izay tiany.
jentilisa
6157.
raha tohina ny aty marary ny afero
jentilisa
6158.
Valalan'amboa ka ny tompony aza tsy tia
jentilisa
6159.
Izay mena valala, izay tiana malala
jentilisa
6160.
Nify samy fotsy, ra samy mena
jentilisa
6161.
Na amboako na amboan'olona rehefa vandana dia kary
jentilisa
6162.
Vava soa sakafo
jentilisa
6163.
Teny maro tsy ilaozan'ota
jentilisa
6164.
Rafotsibe leom-boananana ka tsy tia zava-boribory intsony
jentilisa
6165.
Sahirana amin'ny zavatra tsy an-tena toy ny akoho nitarika zana-gana!
jajaf401
6166.
Lambo soso-nify ka nentim-paharazana
Fanja1
6167.
Veloma tsy mba adidy: sakafo lany tsy mba andraikitra
Fanja1
6168.
Sotroben-dRatsiavanga: sady fikapohana akoho no fangaroana anana
Fanja1
6169.
Miandry ondry zato, miambina omby arivo; ka tsy ilaozan'izay mania
Fanja1
6170.
Ny tsiny toy ny rivotra: mikasika ny tena, fa tsy hita tarehy
Fanja1
6171.
Ny adala no tsy ambakaina, Andriamanitra no atahorana.
sorom
6172.
Tanan-kavia sy havanana, izay didi-maharary. Trano atsimo sy avaratra, izay tsy mahalen-kialofana
hery
6173.
Ny teny toy ny atody, raha foy manan'elatra
hery
6174.
Joko tsorika mahasambo-kary
vale
6175.
Raha nampoizina ho may ny trano na voaka ny entana
vale
6176.
Manan-joky afak'olan-teny, manan-jandry afak'olan'entana
vale
6177.
Kitikitihan'ny marina ka milaza tsy anontaniana
vale
6178.
Aleo enjehin'ny omby masiaka toy izay enjehin'ny eritreritra
vale
6179.
Hitsikitsika tsy mandihy foana fa ao raha
vale
6180.
Omby mahia tsy lelafin'ny namany
vale
Voalohany
Mialoha
204
205
206
207
208
Manaraka
Farany
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0786