Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana
Lisitry ny ohabolana rehetra
Hampiditra ohabolana
6091.
Toy ny voatavo, tanora voatsongotsongo, antitra voabatabata
Avahi
6092.
Tsy misy hianteherana toa bozaka, tanora sakafon’ny omby, antitra sakafom-patana
Avahi
6093.
Tapi-dalan-kaleha otran'ny sokina nanani-bato
sasa
6094.
Adala no tsy ambakaina, Andriamanitra no maha-tahotra
sasa
6095.
Rafotsibe kendam-bomanga ka matin'ny nasesiky ny tanany
hery
6096.
Izy main'ny afo natsangany
McFy
6097.
Lolo fotsy mitonon-tena ka matin'ny nahiam-pony
McFy
6098.
Fitia tsy mivaly mahafohifohy saina
McFy
6099.
Ny fihavanana ohatra ny landy, maty isika ifonosana, velona itafiana, ka ny madilana arahim-panondro
McFy
6100.
Ny fihavanana toy ny fasam-bazimba ka izay mandrava aloha no kely ila
McFy
6101.
Ny fihavanana tsy azo vidiana
McFy
6102.
Maika tsy faingana toy ny dian'ondry
McFy
6103.
Hazakaza-dava toy ny ombalahy
McFy
6104.
Maty manao soa izy, mandefitra vao vaky loha
McFy
6105.
Ny teny malemy maha mora harena
McFy
6106.
Vomanga an-kady; amidy vola tsy lafo, atakalo vary tsy foy
McFy
6107.
Vorom-bazaha misasa, ka samy manao izay saim-pantany
McFy
6108.
Menatra ny efa nisaraka ka mitsanga-miankina ihany
McFy
6109.
Aza lozabe manana anaka, andrao tsy manan-dray ny zaza
McFy
6110.
Ramalina aza mifehy hazo tokana
McFy
6111.
Aza mamelon-jana-baratra andrao iriatany
McFy
6112.
Aleo manontanitany foana hihomehezana toy izay manaonao foana hotezerana
McFy
6113.
Akoholahy miady am-pasika ka samy miaro ny masony tsy ho ditsoka
McFy
6114.
Toy ny varo-jabo an-tsena ka samy midoka ny azy ho masaka
McFy
6115.
Mahery tsy maody tsy mba ela velona
McFy
6116.
Totozy sy voalavo, iray volo fa tsy iray lamba
McFy
6117.
Tsikovoka sy fandiorano, volo no iraisana, fa ny fomba samy manana ny azy
McFy
6118.
Aza mandrora olon-tsy maimbo, ka atao mangidy be fofona ohatra ny tongolo tapa-bilany
McFy
6119.
Ny entan-jarai-mora zaka
McFy
6120.
Zaza fito tsy mahafehy trano fa ny fanahy fito no mahafehy trano.
jentilisa
Voalohany
Mialoha
202
203
204
205
206
Manaraka
Farany
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0272