Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana
Lisitry ny ohabolana, anaty sokajy
rafozana
Hampiditra ohabolana
-29.
Arahabao izay hita fa tsy fantatra izay ho rafozana.
Ny_Arlinah
-28.
Dedaka tonga rafozana ka trano bongo no asiana fandri-baratra
Bouba_lova
-27.
Aleo miandry rafozan-doza toy izay miandry hani-masaka..
Lahimatoa
-26.
Tia vady manompo rafozaƱa. OHABOLANA SAKALAVA
zandrikelytf
-25.
Rafozan-tsarotiny ka ny zanaka no misolo vady isam-bolana.
aivetinakely
-24.
Mijaingijaingy tahaka ny rafozana voalatsa.
aivetinakely
-23.
Tojo rafozam-bavy masiaka, ka ny mivoaka mitsiotsioka no fanafodiny.
aivetinakely
-22.
Rafozan-tsarotiny ka mibaby heloka amin'ny androm-pahanterana.
aivetinakely
-21.
Aza manantena tsy misy toy ny manantena lovan-rafozan-doza.
dziana
-20.
Aleo miandry fatin-dRafozana toy izay miandry hani-masaka.
aivetinakely
-19.
Rafozam-bavy tanora(sady manja), ka rehefa eo ny zanany neny no anarany, rehefa tsy eo kosa ny zanany manala sorisory.
sylvoalias
-18.
saobakaka mamangy rafozana ny mpamangy mototra ny vangiana mototra.
tendry77
-17.
Dedaka tonga rafozana, akohokely ka indramam-pamaky.
aivetinakely
-16.
Raha tiana ny vady, ny rafozana no tsinjovi-mandeha
Aotsara
-15.
vazivazy iray an-dalana, fa ny nonon-drafozana tsy filalao
miara
-14.
Ka mody malahelo manahaky vinanto mandevin-drafoza
roscarb
-13.
Arabarabao ny mpandalo fa tsy fantatra zay ho rafozanina.
ariel
-12.
manalasala toa rafozan-doza : omena ny manta, tsy omby vilany, omena ny masaka, sisa tsy lany
zouzou
-11.
raha vinanto tsara fifidy, tsy vinanto fa isan-janaka
zouzou
-10.
rafonzan-doza sy vinanto tsy vanona, tafaray samy varatra
zouzou
-9.
Vinantolahy tonga rafozana, akoho iray no ho vonoina ka antsy fito no ahetsiketsika
JMR
-8.
Ny vady no tiana ka ny rafozana no malala
jentilisa
-7.
Miasa jamba rafozana, herim-po very foana
jentilisa
-6.
Be setrasetra ka mamely daka rafozana
jentilisa
-5.
Arahabao ihany izay hita fa tsy fantatra izay fara-rafozana
jentilisa
-4.
Rafozan-doza sy vinanto tsy vanona
jentilisa
-3.
Rafozana jamba: aleony hanateran-tsira kely toy izay omen-damba tsara
jentilisa
-2.
Aleo tsy tiam-bady toy izay tsy tian-drafozana
jentilisa
-1.
ny hovadiana be ihany fa ny horafozanina no tsy misy
jentilisa
1
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1364