Ohabolana nampidirin'i niryna

Search ohabolana
Mampiseho ny 724 - 743 amin'ny 823
# Daty Ohabolana Nampiditra
743 22/01/10 Tsy misy fetrany ny fanantaterahan-javatra raha toa ka tsy misy ny vokany sy ny ezaka ao anaty niryna
742 22/01/10 Raha nomen'Andriamanitra antsika avy izay tadiavintsika dia efa nesoriny sahady ny zavatra tsara ambony indrindra amintsika niryna
741 25/08/09 Lalao amin-jaza ka atao izay tsy hampitomany azy niryna
740 25/08/09 Ny alika no miverina amin'ny malotony, ny mpangalatra no miverina amin'ny toerana nangalariny fa ny hendry kosa vao maika mitombo fahendrena niryna
739 25/08/09 Tsy misy afaka itehaka amin'ny tanana iray niryna
738 25/08/09 Ny feon'ny fieritreretana dia madio rehefa mbola tsy nampiasaina niryna
737 25/08/09 Izaho angaha voangaly ka ho faty an-kazo tokana niryna
736 25/08/09 Aza manao voalavo sasatry ny miaina ka saka matory no alam-bolom-bava niryna
735 25/07/09 Trafon-kena ome-mahery:am-bava homana, am-po mieritreritra niryna
734 25/07/09 Na avy aza ny herika dia mafana foana ny andro amin'ny mpifankatia niryna
733 25/07/09 Raha vao miakatra ny fahatezerana, dia saintsaino ny vokany niryna
732 25/07/09 Betsaka ny mandray ny toro-hevitra fa izay misaina ka mandray izany ihany no mahazo tombon-tsoa niryna
731 25/07/09 Ny toro-hevitra dia tsy raisintsika fa ny tena mila azy dia izay manda azy niryna
730 25/07/09 Adino daholo ny hevitra mahasoa amin'ny fotoana ilaina azy niryna
729 25/07/09 Tsy misy manome hevitra tonga lafatra raha tsy ny tenanao ihany niryna
728 25/07/09 Ny olon-dratsy no matetika manolotra toro-hevitra tsara niryna
727 25/07/09 Ny tena mahery fo dia tsy mitady satroboninahitra niryna
726 25/07/09 Izay tsy itan'ny maso dia mora adinon'ny saina niryna
725 25/07/09 Ataovy toy ny dian'ny tanalahy ny fiainana, mandroso in-droa dia mihemotra in-dray mandeha niryna
724 25/07/09 Tsy fantatro loatra izay mahatafita ny olona fa raha te ho rendrika hianao dia omeo fahafapo ny rehetra niryna
First  < 3 4 5 6 7 >  Last