Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana
Lisitry ny ohabolana, nampidirin'i
niryna
Hampiditra ohabolana
91.
Raha tsy manana fahendrena ny mpitondra dia hijaly ny firenena,fa raha ny mpanolon-tsaina kosa no tsara dia ho afaka ny tahotra
niryna
92.
Valala tsy an-tanana tsy atolo-jaza
niryna
93.
Manao toy ny Bezanozano,ka ny vavy indray no feno lovia
niryna
94.
Voanemba mitsipika an-joro ,tsy very fa maka toerana .
niryna
95.
Izaho andrandrana indray ve no anafenana loha sola
niryna
96.
Aleo lozabe ahombiazana toy izay malemy tsy azo
niryna
97.
Tsy mba mipitrapitra mampalahelo fa mivandravandra mampatahotra toy ny tanalahy
niryna
98.
Fisaka ny marina ka saro-patarina
niryna
99.
Mihazakazaka tratry ny miadana toy ny bitro sy ny sokatra
niryna
100.
Ny fihavanana ve? alavirina izy manantona, ankekezina izy mandositra
niryna
101.
Aleo vandana imaso toa izay kary afenina
niryna
102.
Aza manao baby roa toa katsaka
niryna
103.
Ratsy tarehy ambinin-doza, ka mirakaraka vao tsara
niryna
104.
Vangavanga manan'endrika, sadasada manan-tsoratra
niryna
105.
Totohondry diavolana, ny mazava iray ihany no voa
niryna
106.
Mitondra entina hoatra ny tongotra
niryna
107.
Tsy misy fetrany ny fanantaterahan-javatra raha toa ka tsy misy ny vokany sy ny ezaka ao anaty
niryna
108.
Raha nomen'Andriamanitra antsika avy izay tadiavintsika dia efa nesoriny sahady ny zavatra tsara ambony indrindra amintsika
niryna
109.
Lalao amin-jaza ka atao izay tsy hampitomany azy
niryna
110.
Ny alika no miverina amin'ny malotony, ny mpangalatra no miverina amin'ny toerana nangalariny fa ny hendry kosa vao maika mitombo fahendrena
niryna
111.
Tsy misy afaka itehaka amin'ny tanana iray
niryna
112.
Ny feon'ny fieritreretana dia madio rehefa mbola tsy nampiasaina
niryna
113.
Izaho angaha voangaly ka ho faty an-kazo tokana
niryna
114.
Aza manao voalavo sasatry ny miaina ka saka matory no alam-bolom-bava
niryna
115.
Trafon-kena ome-mahery:am-bava homana, am-po mieritreritra
niryna
116.
Na avy aza ny herika dia mafana foana ny andro amin'ny mpifankatia
niryna
117.
Raha vao miakatra ny fahatezerana, dia saintsaino ny vokany
niryna
118.
Betsaka ny mandray ny toro-hevitra fa izay misaina ka mandray izany ihany no mahazo tombon-tsoa
niryna
119.
Ny toro-hevitra dia tsy raisintsika fa ny tena mila azy dia izay manda azy
niryna
120.
Adino daholo ny hevitra mahasoa amin'ny fotoana ilaina azy
niryna
Voalohany
Mialoha
2
3
4
5
6
Manaraka
Farany
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2023 - page load 0.0577