Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana
Lisitry ny ohabolana rehetra
Hampiditra ohabolana
2041.
boka mangarom-poza ka manosik'azy hiverina
dadax
2042.
Rafotsy be maty androfandroana; ka sady very ny vody ankoho ety antany no tsy hanana any andanitra
08051972
2043.
Mitovy ty lava andro niainà no ty maro tany nombà fa ty amany tsy maharake ty tay lava
Ratianakel
2044.
Manalasala toy ny milely ondry. Itsanganana iva loatra, andoalihana avo loatra
Ratianakel
2045.
Mba hafa kely indray izay hoy ilay kisoa nihinan-tay
Ratianakel
2046.
Mahantra tsy misy mpangoraka na mikapa aza misy mitoraka
Ratianakel
2047.
Betabory tsy mahay milomano ka atsingevan'ny voataboriny
Ratianakel
2048.
Aza manao toy ny vilany, ny vody efa main'ny afo nefa ny hanina lanin'ny sasany
Ratianakel
2049.
Tsy ny toaka no mahery fa ny équilibre no very
Ratianakel
2050.
Sola mangery diavolana, tsy fantatra ny loha sy ny vodiny
Ratianakel
2051.
Ratsy tarehy be vody, tsy avelan'ny vodiny ho very
Ratianakel
2052.
Mody maina ohatran'ny mpamositra alika
Ratianakel
2053.
Ditsokan'ny haitraitrany toy ny voalavo mangetotra ampatana
Ratianakel
2054.
Mangeto-noana ka tay no manaraka
Ratianakel
2055.
Maty antoka ohatran'ny koaitra tonga fotoana
Ratianakel
2056.
Manararaotra ohatran'ny banga mihomehy alina
Ratianakel
2057.
Rasazy tampo-pahaizana ka antitra indray vao mangarombody
Ratianakel
2058.
Ranon 'Ikopa ka tonga namana vao mavomavo
ANJARA7
2059.
Tolo fa natao zao toy, ka mamihy avao tegna ndre ambany.
sadranga
2060.
Zara hetra sy dia voatendry ny fahafatesana ka rehefa anajara tsy azo sakanana
velosoa
2061.
Ny langoroana sy amponga no tsy mitovy feo mifanaraka ary ny kintana sy ny volana no samihafa famiratra mifanotona
velosoa
2062.
Njarahy be be isy zao hoe, ka "hena be" tsy hay trebehy!
sylvoalias
2063.
Dadilahy be lava voto zao hoe, ka laha mila ampela phrase raiky avao:"Aty jerena ambany maso!"
sylvoalias
2064.
Varotr'ombin'ny mananontena ka raikitra vao tora-kovitra.!
sylvoalias
2065.
Azon-ky azon-dela!
sylvoalias
2066.
Ndre masiaky gny voay tsy homagn'anaky!
sylvoalias
2067.
Mihantona fotsiny toy ny karavaton'ny mpamily taxi-be
Noue
2068.
Aza atao toy ny mpatsaka am-bovo, ny mpamangy mototra ny vangiana mitanatana vava
Rapha
2069.
miharitra ny mafy ohatra ny volombody tokana aozongozin'ny hetotra !!!
glady
2070.
Rafotsibe nangataka omby, mahazo fanampi-karena; tsy mahazo, oviana moa ny omby no fangataka?
dangytsmaty
Voalohany
Mialoha
67
68
69
70
71
Manaraka
Farany
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0431