Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana
Lisitry ny ohabolana rehetra
Hampiditra ohabolana
2131.
Sihanaka voadakan’omby, ka maty manara-dronono
aivetinakely
2132.
Bevohoka mitsinjo ny farany, mihinan-dravim-bomanga andro aman'alina.
aivetinakely
2133.
Adin-jazakely, ka ny ranomaso maina ihany no fetrany.
aivetinakely
2134.
Aza atao fitia tsihy ka ny alina ihany no tsara ihaonana.
aivetinakely
2135.
Aza atao varo-boba, fa ny hasiny tsy azo amidy.
aivetinakely
2136.
Tevi-Janahary, rehareha ihany fa tsy mitovy amin'ny nataon'olombelona.
aivetinakely
2137.
Mandeha roa salahain'olombelona, mandeha irery salahain-Janahary.
aivetinakely
2138.
Tsara vatana miloloha taim-boalavo tahaka ny zozoro.
aivetinakely
2139.
Zaza be hanta, tsy mihevitra ny ho rahampitso.
aivetinakely
2140.
Toy ny zozoro an-keniheny, misedra rivotra miara-midola, toherin-drano miara-milamaka.
aivetinakely
2141.
Aza atao toy ny afo mololo, miredareda fa mora maty, fa ataovy toy ny afon'ampombo, misoko mangina fa maharitra ela
aivetinakely
2142.
Andriana matim-boninahitra, tsy te-hatao hoe manina fa I Miangaly no manina.
aivetinakely
2143.
Vidin-dafo tahaka ny ranomason'andriana.
aivetinakely
2144.
Liam-pandrosoana loatra ka ny biby avy no hananganana restaurant.
aivetinakely
2145.
Ny saka vidina fa ny alika lafo vidy.
aivetinakely
2146.
Takatra mihomehy dangoro, tsy mahita ny ambany laikany.
aivetinakely
2147.
Zanak'olona tsy vadina toa soa.
aivetinakely
2148.
Fahasoavana hiditra ny varavarana ve hotohanana fanoto.
aivetinakely
2149.
Tapohin'ny mahazo vola ka mipasoka selefanina.
aivetinakely
2150.
Vidin-dafo tahaka ny atim-boay fito.
aivetinakely
2151.
Mijanona ho fanoharana tahaka ny sedera avo.
aivetinakely
2152.
Maintso mangiloilo tahaka ny veromanitra saingy mora tapaka.
aivetinakely
2153.
Aza mba mamahatra ambony, mandravina ambany tahaka ny rambon'omby;
aivetinakely
2154.
Mafanafana tahaka ny mpifana nisotro ranon'ampango.
aivetinakely
2155.
Aza mandrimandry manana aretina, fa fotory ny tena marina aminy.
aivetinakely
2156.
Mivadibadika sahala amin'ny lela may, ny eny anio tsia rahampitso.
aivetinakely
2157.
Zaza vonto anatra, manao mbay lalana an-tsena.
aivetinakely
2158.
Azon-doza tahaka ny kangoroa, teraka ihany fa tsy maintsy atao ampaosy.
aivetinakely
2159.
Maty vady mitokiky, mitsinjaka ihany rehefa manitsaka afo.
aivetinakely
2160.
Varotry ny mananon-tena, raikitra vao tera-kovitra.
aivetinakely
Voalohany
Mialoha
70
71
72
73
74
Manaraka
Farany
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0219