Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana
Lisitry ny ohabolana rehetra
Hampiditra ohabolana
2221.
Mafanafana tahaka ny mpifana nisotro ranon'ampango.
aivetinakely
2222.
Aza mandrimandry manana aretina, fa fotory ny tena marina aminy.
aivetinakely
2223.
Mivadibadika sahala amin'ny lela may, ny eny anio tsia rahampitso.
aivetinakely
2224.
Zaza vonto anatra, manao mbay lalana an-tsena.
aivetinakely
2225.
Azon-doza tahaka ny kangoroa, teraka ihany fa tsy maintsy atao ampaosy.
aivetinakely
2226.
Maty vady mitokiky, mitsinjaka ihany rehefa manitsaka afo.
aivetinakely
2227.
Varotry ny mananon-tena, raikitra vao tera-kovitra.
aivetinakely
2228.
Manamboara fo, fa aretina tsy misy fanafany ny manin-tany.
aivetinakely
2229.
Manaova tahaka ny akondro, ny kely manotrona ny lehibe, ny lehibe manalokaloka ny kely.
aivetinakely
2230.
Voarabe endriky ny saha, miandra voninahitry ny lanitra, miondrika fahazavan'ny tany.
aivetinakely
2231.
Aza mora mamoifo fa mora volena ny fitiavana.
aivetinakely
2232.
Loham-balala, tsy misy hanarahana azy fa tainy avokoa.
aivetinakely
2233.
Ny amoizana ny tsy foy hananan-tiana.
aivetinakely
2234.
Ataovy fitia foza kely ka lany mbamin'ny korany.
aivetinakely
2235.
Ny fisian'ny vaovao no mahasitrana ny ratra teo aloha.
aivetinakely
2236.
Mahantra ny tia irery.
aivetinakely
2237.
Ny olon-tiana no vahatry ny aina.
aivetinakely
2238.
Ny tambitamby efa lany, ny fitia efa nadiva ka na hifona aza tsy azo iverenana intsony.
aivetinakely
2239.
Akoho nikotrika atodi-mamba ka mamelon-doza ho an'ny tena.
aivetinakely
2240.
Mafy orina tahaka ny vatolampy ny fitiavana, ka tsy azo hozongozonina.
aivetinakely
2241.
Fatra-pinehaneha mila holatra, ka tojo ny mangidy tsy telina.
aivetinakely
2242.
Resaky ny mpiandry fody tsy idiran'ny mpiandry kisoa.
aivetinakely
2243.
Efa lany andro ny vady amboarina.
aivetinakely
2244.
Vadivao mifanena amin-drafozana, sahiran-tsaina ny fomba hiantsoana azy.
aivetinakely
2245.
Ratsy anarana tahaka ny hena fizara am-paty.
aivetinakely
2246.
Tsara toerana tahaka ny tantely, fomba fiteny avy ka nahazoam-boninahitra.
aivetinakely
2247.
Fandrotrarana mandady anaty rano, fongory fa tsy fahitan-drazana.
aivetinakely
2248.
Ovin'Antsirabe, malaza amin'ny fitsofana azy ihany.
aivetinakely
2249.
Tia taratra tahaka ny tovovavy matroka endrika, miandry ho sitrana isa-minitra.
aivetinakely
2250.
Foza mifanena amin'ny oram-baranga, ny loko itovizana ihany fa ny raifi-batana no samihafa.
aivetinakely
Voalohany
Mialoha
73
74
75
76
77
Manaraka
Farany
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.03