Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana
Lisitry ny ohabolana rehetra
Hampiditra ohabolana
2281.
Toky natao tamin'adala ka mampihahaka ny miafina.
aivetinakely
2282.
Pirina kiboatà , ny loko mà vana maro mpitia fa ny kibo be no tsy nahalany match.
aivetinakely
2283.
Manaiki-droa lany tahaka ny dinta.
aivetinakely
2284.
Na mitoetram-bitsika aza aho, mahay miara-monina amin'arivony.
aivetinakely
2285.
Mahandrasa fa rehefa lasa voangory aho, hitazantazana anao.
aivetinakely
2286.
Tsy ho abado mandrakizay aho ka harian-dia amindramatoria lava.
aivetinakely
2287.
Mpamosavy tra-nenina fa ny vady nanafenan-javatra no lasa nody mandry aloha.
aivetinakely
2288.
Midofaka ranomanitra, ka ny fofona no manintona fa tsy ny endrika.
aivetinakely
2289.
Aza misafidy eo anoloan'ny akoho sy atody, fa tsy fantatra marina izay taloha.
aivetinakely
2290.
Antsapaka ny fanambadiana ka ao ny mahazo ny trafony, ao ny tandrify ny tandrony.
aivetinakely
2291.
Fatra-pifidy ny tsara ka ny noraisina tsy azo, ny tan-tanam-botsotra.
aivetinakely
2292.
manalasala tahaka nybe taona mandoko volo jerena eo aloha toa miketron'andrina jerena ao afara toa demozely maintso volo
bobone
2293.
Antomondava toy ny fandrosoana
niryna
2294.
Salasala toy ny tongotry ny mpanihika sady manosika no mamerina
niryna
2295.
Raha maty aho mateza rahavako
niryna
2296.
Aza atao fandraka antoan'im-pively aho
niryna
2297.
Aza manjaitra atody vaky na mamaky akotry ka mitady tombony vao maika an-tombony
niryna
2298.
Atoraka indroa, ohatran'ny mpinona an-tanan-doza
niryna
2299.
Azo homamaina toy ny tsofaben'Andohalo
niryna
2300.
Tsy mba vorombazaha na akanga amidy aho ka entina amin'ny sangany
niryna
2301.
Tsy mitsahi-tsy andempona toy ny vato mikodiadia
niryna
2302.
Toy ny landim-boatavo ny olombelona ka raha fotorana iray ihany
niryna
2303.
Maro amin'ny tantely no maty ao anatin'ny tanteliny
niryna
2304.
Ny fahendrena manalavitra ny famboniantena
niryna
2305.
Mibanjina ny sokatra aho, tsy misy ny fandrosoany raha tsy mamoaka ny tenda ety ivelany izy
niryna
2306.
Namboarina nitovy ny olona fa ny faniriana ao anaty no tsy itovizany
niryna
2307.
Raha indray mandeha ve no manta vary dia andevi-tsotrobe?
niryna
2308.
Na manankarena na mahantra dia mitovy ihany ny namorona azy
niryna
2309.
Mahafinaritra ny mijery ny tongotra mandia amin'ny tany kanefa aza adino ny mamindra
niryna
2310.
Izay be famaritra ihany no voafaritra.
niryna
Voalohany
Mialoha
75
76
77
78
79
Manaraka
Farany
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0165