Accueil
Insérer
Liste
Catégories
Inscription
Connexion
Ampidiro aloha ny tenimiafina
Liste des proverbes
Liste de tous les proverbes
Insérer un proverbe
2341.
Mpirahavavy mifanehatra, ka ny fideràna bika no alohan'ny maha-mpiray tampo.
aivetinakely
2342.
Sitran-tsy miody tahaka ny tonga olon-tiana.
aivetinakely
2343.
Androngo niani-bato, ka ny kibo arovana indray no may alohan'ny lamosina.
aivetinakely
2344.
Zazavavy navoaka an'entana ka mirehereha manan-kantenaina.
aivetinakely
2345.
Tojo rafozam-bavy masiaka, ka ny mivoaka mitsiotsioka no fanafodiny.
aivetinakely
2346.
Badolahy fisadoha, ka ny hafetsena sisa isintonam-behivavy.
aivetinakely
2347.
Keliloha mitavona menaka ka safotra mbamin'ny handrina.
aivetinakely
2348.
Kely mivaro-tena sady donto no fetsy.
ZEMJOS
2349.
Belamaody tsy ampy sakafo ka aleo miakanjo toy izay noana.
ZEMJOS
2350.
Mpikarajia tsy mahay azerty vola lany raha tadiavina tsy hita.
ZEMJOS
2351.
Aza midongy sehatra toy ilay ratsy feo mihira, fa na mamalana aza misy mitehaka.
ZEMJOS
2352.
Tsy lahatra akory ny habadoana fa ny loha tsy atao fitoera-tsakotra fotsiny.
ZEMJOS
2353.
Vato mikodia ka mandositra ny lobolobo niafenana.
aivetinakely
2354.
Manintona maso tahaka ny vehivavy fotsy, fa tsy mahatsindry ny manjamanja.
aivetinakely
2355.
Ny alika enjehina fa ny saka mianika hazo.
aivetinakely
2356.
Manao loham-balala ka misarika ny tainy.
aivetinakely
2357.
Tapotapoham-pahasoavana ka mibaby kisoa mita rano
Manatsiala
2358.
Tapotapohan'ny manam-pahaizana ka eny Ankatso avy no mitondra solaitra
Manatsiala
2359.
Tapotapohan'ny Jerosalema ka manao lakoroa bozaka
Manatsiala
2360.
Rafotsibe leon-tsokina ka vodi-kifafa avy no itsoahana
Manatsiala
2361.
Rafotsibe leon-drakena ka tanimena avy no atahorana
Manatsiala
2362.
Raha mianjera ny siny an-doloha, dia ny mpanatatao no kotsa mialoha
Manatsiala
2363.
Mpivaro-drano tratr'orana ka tratry ny nataony ihany.
aivetinakely
2364.
Aleo vady manam-panahy toy izay vehivavy tsara tarehy.
aivetinakely
2365.
Aleo saina mahiratra toy izay vola be am-bata.
aivetinakely
2366.
Tia manandrana ka nahita ny loza tsy takatry ny saina.
aivetinakely
2367.
Ny lambo tsy ahina no mamola-pe.
aivetinakely
2368.
Izay tsara vady mahay miresaka, fa ny vady mpamitaka toa ny afo antampon-doha ka sady mandoro no mahafaty.
aivetinakely
2369.
Volabe tsy arahim-pitiavana, zary poizina mamono ny vatana, lasa zavona tahaka ny vongandranomandry.
aivetinakely
2370.
Bingo manao mantso ka misalovana ny anjara toeran'ny sasany.
aivetinakely
First
Previous
77
78
79
80
81
Next
Last
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0161