Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana
Lisitry ny ohabolana rehetra
Hampiditra ohabolana
2401.
Hendry anaty tahaka ny samoina fa rehefa mivoaka afatotry ny sasany.
aivetinakely
2402.
Raha mety ny atao, saobakaka mampidi-drano ketsa, raha tsy mety ny atao, tain'akoho aza maha-tafitohana.
king58
2403.
Tsapatsapa vodin'akoho, raha tsy tay dia atody.
king58
2404.
Valala eny am-panidinana, koa hoe asiko sira, asiko sira
king58
2405.
Manararaotra tahaka ny banga mihomehy alina.
king58
2406.
mitsako tsy ré, koa kenda vao hoe:domy aho ranaotra
Raherizo
2407.
Banga manao solo-nify, afa-kenatra eo am-pihomehezana fa latsa-dranomaso eo am-pihinanana
Raherizo
2408.
boka mangala-boatavo ka miandry ny tompony hanatatao
Raherizo
2409.
Lakan-jila ka ahilangilan'ny rano, tsy fefika fa miandry ny anjara.
aivetinakely
2410.
Manambady jamba ka ny safosafo no amenoana ny banga
aivetinakely
2411.
Miketrika hoditra ka mitsimbina ny mahantra.
aivetinakely
2412.
Raha te handainga dia milaza ny tsy hita
Raherizo
2413.
Fanambadian-ko ratsy, mpianadahy mifanaja no tsara
Raherizo
2414.
Ny ela nandeferana tsy mahandry ny ho farany
aivetinakely
2415.
Mifampitady toy ny fo tsy mifankafoy
aivetinakely
2416.
Ny fo rano mangotraka ka raha mihoatra mahavaky fefiloha
aivetinakely
2417.
Ny aina fitahy, ny herimpo fanary
aivetinakely
2418.
Anaram-potsiny tahaka ny fihavanam-bato
aivetinakely
2419.
Siakam-behivavy ka manafina ny tsy misy ao antrano.
aivetinakely
2420.
Lehilahy mpiasa be ka soloim-bava antrano, manaiky ny tsy rariny eo anatrehan'ny fitsaràna.
aivetinakely
2421.
Rafozan-tsarotiny ka mibaby heloka amin'ny androm-pahanterana.
aivetinakely
2422.
Matahotra ny amboa tsy ho vola ka mivarotra ny saka dimy ariary efatra.
aivetinakely
2423.
Aza manao vatam-balala ka miharo ihany ny lohany sy tainy.
aivetinakely
2424.
Ataovy fitia tanam-poza ka lany mbamin'ny madinika indrindra.
aivetinakely
2425.
Maika handroso avara-patana ka ny fomban-tany hadino.
aivetinakely
2426.
Haingo diso an'Iarivo, ka miverena mba ho hita.
aivetinakely
2427.
Kevoka tahaka ny tovolahy mikabary ka very ny androantokon-kevitra.
aivetinakely
2428.
Akanga niditra ny ala, handroso maty renibe, hihemotra maty raibe.
aivetinakely
2429.
Ny anjara tsy mivily
aivetinakely
2430.
Miaramila miantafika, manisa andro hahavelona
aivetinakely
Voalohany
Mialoha
79
80
81
82
83
Manaraka
Farany
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0162