Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana
Lisitry ny ohabolana rehetra
Hampiditra ohabolana
2491.
Maika handroso avara-patana ka ny fomban-tany hadino.
aivetinakely
2492.
Haingo diso an'Iarivo, ka miverena mba ho hita.
aivetinakely
2493.
Kevoka tahaka ny tovolahy mikabary ka very ny androantokon-kevitra.
aivetinakely
2494.
Akanga niditra ny ala, handroso maty renibe, hihemotra maty raibe.
aivetinakely
2495.
Ny anjara tsy mivily
aivetinakely
2496.
Miaramila miantafika, manisa andro hahavelona
aivetinakely
2497.
Fifanekena natao tamin-jaza, ianao ihany no hanampy azy hitadidy.
aivetinakely
2498.
Tsy very tadidy tahaka ny voaloham-pitiavana ; mandeha mitadidy azy, mipetraka misento lava.
aivetinakely
2499.
Raha malahelo, mitrakà hijery masoandro, raha kivy mandehàna mandinika ny volana.
aivetinakely
2500.
Na mafy aza ny hanoanana, tsy hitsako alohan'ny vazana.
aivetinakely
2501.
Tsy mivaky loha tahaka ny sahona mandao atody.
aivetinakely
2502.
Malaza tsy ihinanana tahaka ny lovian-tsahona.
aivetinakely
2503.
Ny kibo tsy mba lamosina, ny tsinay tsy mba vatsy.
aivetinakely
2504.
Aza manome toky tsy ho tanterahina fa mampihena ny fatoram-pihavanana.
aivetinakely
2505.
Ny marary andrianina.
aivetinakely
2506.
Sanganehana tahaka ny saka hamangy jaboady, handroso sao voatora-bato, hiverina marary havana akaiky.
aivetinakely
2507.
Manaja toky tahaka ny voromahilala ka na maty vady aza tsy manolo.
aivetinakely
2508.
Mifandova toetra tahaka ny vato, be tsy miteny, kely tsy mivolagna.
aivetinakely
2509.
Aza mba be tsy miteny tahaka ny vato fa itaingenam-borona.
aivetinakely
2510.
Izay tia voninahitra manary fihavanana, izay tia havana mahazo harena.
aivetinakely
2511.
Fatra-pifidy ny manganagna ka sendra ny mangidy tsy telina.
aivetinakely
2512.
Aza varimbariana ny lavitra ka tsy mahita ny ambany maso mamiratra.
aivetinakely
2513.
Harena tsy lovain-janaka ny fahaizana.
aivetinakely
2514.
Be tsy mahafaka hetaheta tahaka ny ranomasina.
aivetinakely
2515.
Aleo kely manan-tsaina toy izay be tsy mahataka-davitra.
aivetinakely
2516.
Izay tia mahafoy, izay tiana amoizana ny tsy foy.
aivetinakely
2517.
Mafaitsy mahajanga sahalaky katrafay.
aivetinakely
2518.
Tsy lany hamamiana tahaka ny fary lava vàny.
aivetinakely
2519.
Rafotsibe nisika fary, ka ny natao hanamando ny tenda no nikiky ny akanjon'ify.
aivetinakely
2520.
Aza manao tahaka ny fary ka ny lohany indray no matsatso.
aivetinakely
Voalohany
Mialoha
82
83
84
85
86
Manaraka
Farany
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0178