Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana
Lisitry ny ohabolana rehetra
Hampiditra ohabolana
2551.
Ombilahy mandeha hosy ka miomàna hisolo ny asan'ny sasany.
aivetinakely
2552.
Sahiran-dava tahaka ny rafozana tonga vinanto ka manadino ny hanitra tokony hampitaina.
aivetinakely
2553.
Akoho nikotri-borona ka nisasatra amin'ny tsy ho an'ny tena.
aivetinakely
2554.
Aza matoky tena tahaka ny antsy kely be zarana
aivetinakely
2555.
Aza malady hofana toy ny amalon-kely fa tsy mahaela velona.
aivetinakely
2556.
Aza mafy fo tahaka ny vato, ka ny kely avy no taha-dreny
aivetinakely
2557.
Miasa mafy tsy hitan-drafozana, ka alao ny vadiko hitantara aminy.
aivetinakely
2558.
Harihariana tahaka ny tany nahalavoana
aivetinakely
2559.
Ny fitia tsy mba hetra, ka terèna vao havoaka
aivetinakely
2560.
Raha tonga ny amalom-boasira, tsy manan-kavana afa-tsy ny maty
aivetinakely
2561.
Androngo nangataka ka ny mody no ady
aivetinakely
2562.
Tsara vady mianjaika, miomàna fa ho be fahavalo.
aivetinakely
2563.
Aza mirehareha manan-tany fa rehefa mody ianao, izy ihany no hitelina.
aivetinakely
2564.
Tany lavitr'andrian-dava volo.
aivetinakely
2565.
Vary aloha, mahatràmpo fa tsy mahavita taona.
aivetinakely
2566.
Aza manao fanirin-tsaonjo ka ny mamelana indray no lazaina ho mandoza.
aivetinakely
2567.
Aleo miandry fatin-drafozana, toy izay miandry hani-masaka.
aivetinakely
2568.
Be tsy andraofana tahaka ny tanam-poza.
aivetinakely
2569.
Aleo mipitrapitra mampalahelo toy izay mivandravandra mampatahotra.
aivetinakely
2570.
Ombimahia lavatandroka, tsy voninahitra ho an'ny tompony fa famenoana isa fotsiny.
aivetinakely
2571.
Ondry bonaika, tsy fanta-piaviana, tsy hita hiresahana.
aivetinakely
2572.
Vatokely anaty lalana, tsy fandrika fa hanotra ny tsy hitan'ny mpitsabo.
aivetinakely
2573.
Mpitondra manao tohatra fiakarana, tsy araky ny fitsaràna saingy hotsarain'ny tantara
aivetinakely
2574.
Nisafidy tsy noterena ka babeo ny vokany fa aza mila vaniny.
aivetinakely
2575.
Adala ny tia ka ny tompom-bady no hafarana
aivetinakely
2576.
Ny lalana nahazatra omaly no mety hamotika rahampitso, ka diniho ihany ny atao
aivetinakely
2577.
Very anjara tahaka ny fitia vazivazy, hamerin-dresaka mahamenatra, tsy hiteny tia ihany
aivetinakely
2578.
Tsara fitafiana mianjaika tahaka ny goaika, manintona ny maso fe sady ratsy sakafo no maloto fofona
aivetinakely
2579.
Menamason'ny nahiny tahaka ny vivy nanitrika.
aivetinakely
2580.
Matim-boninahitra tahaka ny akoholahy, ny sangany mena no nahafaty azy.
aivetinakely
Voalohany
Mialoha
84
85
86
87
88
Manaraka
Farany
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0487