Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana
Lisitry ny ohabolana rehetra
Hampiditra ohabolana
2521.
Baobaba mandoroboka, tsy endrika hanodoka fa handravaka ny tanety
aivetinakely
2522.
Akohovavy maneno, tsy hery fa fambara loza
aivetinakely
2523.
Manalasala toy ny vozon'akoho, hariana toa hena, hohanina feno taolana
aivetinakely
2524.
Kisoa mifanena amin-dambo, tojo razambe vao rifatra mandositra.
aivetinakely
2525.
Akohokely lasan'ny papango, very vao misidina ambony.
aivetinakely
2526.
Izay tsy mahay sobika mahay fatam-bary
aivetinakely
2527.
Papango nahazo sokatra, ny fomba fihinana azy no tsy hay.
aivetinakely
2528.
Vatovory andohamandy ka mampitaintaina ny kely anaka
aivetinakely
2529.
Aza atao vato atsindry hazana, ka atsipy rehefa maloka ny andro
aivetinakely
2530.
Sondrian-kira tahaka ny sahona ka tsy mahatsikaritra ny fahavalo manatona.
aivetinakely
2531.
Lava nify mitsiky ka tsy fantatra na hanaikitra
aivetinakely
2532.
Kilonga mihira tsy arahin-damako.
aivetinakely
2533.
Mitsoalatsoala tahaka ny kavina lava ka jejo alohan'ny tompony
aivetinakely
2534.
Mandeha tsy voizina tahaka ny lakan-jejo
aivetinakely
2535.
Fananarana tsy andraisan-karama, fa ny fiaraha-monina no ahazoana tsiny
aivetinakely
2536.
Vakim-bola asanda fanambadiana ka ny kely no natakalo be
aivetinakely
2537.
Vady tsy mahatombon-tsiraka, ka avelao hanarin'ny asany
aivetinakely
2538.
Ziva tsara toetra ka mihoatra ny iray tampo
aivetinakely
2539.
Kapain-tsy hita fery tahaka ny rano ny lehilahy
aivetinakely
2540.
Tamàn-trano tahaka ny akoho ka tsy mahita remby hameloman'anaka
aivetinakely
2541.
Lambolahy nandia hosy, manitsaka ny efa malemy
amson
2542.
Miaina tsy misy fitiavana toy ny vonikazo tsymisy fofona
Blazao
2543.
Trosa nahasoa ka mahasify raha tsy efaina
aivetinakely
2544.
Ny adala no tsy ambakaina, Andriamanitra atahorana
aivetinakely
2545.
Tsy very mandeha tahaka ny vehivavy tsara tarehy
aivetinakely
2546.
Voninkazo tsara saro-belomina ka mampisara-bady raha tsy mitandrina
aivetinakely
2547.
Boka mangala-boatavo, mifampitolona samy malama
aivetinakely
2548.
Raha manambady tsara tarehy dia tsy mahavondraka kisoa, satria variana mijery azy ny kisoa fa tsy mihinan-kanina
aivetinakely
2549.
Ratsy tarehy andeha lanona ka ny maraina ihany no izy.
niryna
2550.
Vorona tokona amoron-drano ka miherikerika irery
niryna
Voalohany
Mialoha
83
84
85
86
87
Manaraka
Farany
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.2547