Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana
Lisitry ny ohabolana rehetra
Hampiditra ohabolana
2581.
Tsara rafi-batana, tsy misy halemem-panahy, manintona fijery fa tsy mahazaka havam-bady.
aivetinakely
2582.
Vady mivadi-belirano ! andraso ny vintana hanambina fihavaozana.
aivetinakely
2583.
Manjelatra amin'ny maizina tahaka ny masompiso, tsy haingo fa adidy hisamboram-boalavo.
aivetinakely
2584.
Ny feno tsy mikobana, ny foana no manakoako.
aivetinakely
2585.
Aza miandry ho avara-pianarana vao handinika ny zavaboary.
aivetinakely
2586.
Aza kivy ilaozan-tiana, fa iray lasa folo manontany toerana.
aivetinakely
2587.
Ny herimpo fanary, ny fanantenàna famelona.
aivetinakely
2588.
Ny fitiavana tahaka ny voanjobory mamelana, totofana vao maika mirohotra
aivetinakely
2589.
Baobaba mandoroboka, tsy endrika hanodoka fa handravaka ny tanety
aivetinakely
2590.
Akohovavy maneno, tsy hery fa fambara loza
aivetinakely
2591.
Manalasala toy ny vozon'akoho, hariana toa hena, hohanina feno taolana
aivetinakely
2592.
Kisoa mifanena amin-dambo, tojo razambe vao rifatra mandositra.
aivetinakely
2593.
Akohokely lasan'ny papango, very vao misidina ambony.
aivetinakely
2594.
Izay tsy mahay sobika mahay fatam-bary
aivetinakely
2595.
Papango nahazo sokatra, ny fomba fihinana azy no tsy hay.
aivetinakely
2596.
Vatovory andohamandy ka mampitaintaina ny kely anaka
aivetinakely
2597.
Aza atao vato atsindry hazana, ka atsipy rehefa maloka ny andro
aivetinakely
2598.
Sondrian-kira tahaka ny sahona ka tsy mahatsikaritra ny fahavalo manatona.
aivetinakely
2599.
Lava nify mitsiky ka tsy fantatra na hanaikitra
aivetinakely
2600.
Kilonga mihira tsy arahin-damako.
aivetinakely
2601.
Mitsoalatsoala tahaka ny kavina lava ka jejo alohan'ny tompony
aivetinakely
2602.
Mandeha tsy voizina tahaka ny lakan-jejo
aivetinakely
2603.
Fananarana tsy andraisan-karama, fa ny fiaraha-monina no ahazoana tsiny
aivetinakely
2604.
Vakim-bola asanda fanambadiana ka ny kely no natakalo be
aivetinakely
2605.
Vady tsy mahatombon-tsiraka, ka avelao hanarin'ny asany
aivetinakely
2606.
Ziva tsara toetra ka mihoatra ny iray tampo
aivetinakely
2607.
Kapain-tsy hita fery tahaka ny rano ny lehilahy
aivetinakely
2608.
Tamàn-trano tahaka ny akoho ka tsy mahita remby hameloman'anaka
aivetinakely
2609.
Lambolahy nandia hosy, manitsaka ny efa malemy
amson
2610.
Miaina tsy misy fitiavana toy ny vonikazo tsymisy fofona
Blazao
Voalohany
Mialoha
85
86
87
88
89
Manaraka
Farany
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0176