Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana
Lisitry ny ohabolana rehetra
Hampiditra ohabolana
2611.
Trosa nahasoa ka mahasify raha tsy efaina
aivetinakely
2612.
Ny adala no tsy ambakaina, Andriamanitra atahorana
aivetinakely
2613.
Tsy very mandeha tahaka ny vehivavy tsara tarehy
aivetinakely
2614.
Voninkazo tsara saro-belomina ka mampisara-bady raha tsy mitandrina
aivetinakely
2615.
Boka mangala-boatavo, mifampitolona samy malama
aivetinakely
2616.
Raha manambady tsara tarehy dia tsy mahavondraka kisoa, satria variana mijery azy ny kisoa fa tsy mihinan-kanina
aivetinakely
2617.
Ratsy tarehy andeha lanona ka ny maraina ihany no izy.
niryna
2618.
Vorona tokona amoron-drano ka miherikerika irery
niryna
2619.
Aza manao voa mivonto an-kibo
niryna
2620.
Izay tsy mahafoy kely tsy manana ny tiana
niryna
2621.
Aza manao vorona azon'adala ka na tsy maty aza, mifohafoha volo
niryna
2622.
Aza manositosika ny tsy manambika
niryna
2623.
Ny krismasy izay fahatsiarovana ilay nahaterahan'ny Mpanjakan'ny fandriampahalemana ary manome basy kilalao ho an'ny ankizy
niryna
2624.
Ny krismasy dia andro iray izay isarahan'ny reniny amin'ny zanany
niryna
2625.
Ny mariazy volamena no zavatra hita mitsongadina ao amin'ny fanambadiana
niryna
2626.
Toy ny vato any Ambohimanga, nalevina ila tsy lo, mitanin'andro tsy haraka
niryna
2627.
Raha dobo tsy ho sahy siny aho, dia miketraka ho renirano
niryna
2628.
Aza mietaketaka toy ny akoho kely vidin-drindra.
niryna
2629.
Andriamanitra miahy ny madinika fa tsy manary kosa ny adalan-karena ho very
stefcom
2630.
Teny soa sakafo, vava ratsy adidy.
benasy
2631.
Voalavo lahy sasatry ny miaina, ka saka no alam-bolombava.
benasy
2632.
Izay manabe lehilahy, mitaiza olona iray, izay mampianatra vehivavy, manabe vahoaka alin-kisa.
aivetinakely
2633.
Tsy velon-kantenaina ary tsy maty hafoy.
aivetinakely
2634.
Ny manatena sarotra fa ny mamoy mora foana.
aivetinakely
2635.
Ataovy toy ny fitia garanadrelina miketrona vao tena mamy
taj
2636.
Manambitamby lava, toy manana andevo tokana
niryna
2637.
Aza miasa roa toy Tankady.
niryna
2638.
Aza manao Tanala mahazo amponga
niryna
2639.
Lehibe foana toy ny amiana
niryna
2640.
Maro ny ondry any an-tsaha fa ny maranin-tsofina ihany no an'ny andriana
niryna
Voalohany
Mialoha
86
87
88
89
90
Manaraka
Farany
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.031