Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana
Lisitry ny ohabolana rehetra
Hampiditra ohabolana
2671.
Izay tsy mihevitra afatsy ny tenany irery dia miaina ao anatin'ny tsy te ahalala ny fiainana
niryna
2672.
Izay mitondra ny soavaly avo toerana dia mitondra azy hianjera avo dia avo
niryna
2673.
Izay mamatotra ny tenany no voafatotra
niryna
2674.
Ny fo be tebiteby dia enta-mavesatra fa ny teny manankery kosa dia mamelona ny hery
niryna
2675.
Ny teny malefaka dia mamelombelona ny saina sy ny fanahy
niryna
2676.
Lamba fohy tsy an'olon-jejo, lamba lava tsy an'olo-kamo
niryna
2677.
Boka nangala-pary, ka ny fary tsy azo, ny tanana feno lay
niryna
2678.
Miadan-dratsy ohatran'ny boka mitery omby
niryna
2679.
Mpamosavy velom-paty nandrasana, tsy vanona ny nataony ka nody
niryna
2680.
Aza magnano ahitra teraka alohan-jaza
niryna
2681.
Izay tonga aloha tompon-dasy
niryna
2682.
Aza mandidy alohan'Atra toa ny mpanotrika akoho
niryna
2683.
Malailaim-pihavanana va hianao ?
niryna
2684.
ketsa va aho ka ho antitra iray taona ?
niryna
2685.
Aza manao fivorian'alika ka ny dinika tsy misy tapaka fa ny orokoroka no betsaka
epsedo
2686.
Raha indray mandeha no manta vary aza mandevi-tsotrobe
niryna
2687.
Izay tsy manampaharetana tsy mahita vokatsoa.
niryna
2688.
Ny tena namana dia izay mahafantatra anao ary mbola mitovy foana ny fitiavany anao
niryna
2689.
Ny tena namana tsy miraharaha na tsy mitovy aza ny ba kiraronao
niryna
2690.
Ireo izay mifidy ny asa tiany dia toa tsy miasa intsony amin'ny androny
niryna
2691.
Papango nifaoka hodi-tsokatra: nahazo ihany fa akorany
niryna
2692.
Ny hevitra tsy azo mampihazohazo
niryna
2693.
Toy ny miresaka amim-bazimba ka miteny irery
niryna
2694.
Aza manao ady am-parimbona
niryna
2695.
Amboa nihaza jorery ka ny feo no re
niryna
2696.
Ny anarana no tsy raikitra, ny ao an-trano no manivaiva azy
niryna
2697.
Ataonao ho soavaly vahiny angaha aho no tsy hahalala an'i Mahamasina
niryna
2698.
Ampigam-piharabolamena : ka raha mitraka vonihahitry ny lanitra, raha miondrika fahazavan’ny tany
ontsy
2699.
Tahaka ny mividy ombalahy mpiady ka ny tandrony aloha vao ny vozony.
ontsy
2700.
Tahaka ilay nividy Ondrilahy ka ny hofany indray no jerena mialoha
ontsy
Voalohany
Mialoha
88
89
90
91
92
Manaraka
Farany
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0271