Accueil
Insérer
Liste
Catégories
Inscription
Connexion
Liste des proverbes
Liste de tous les proverbes
Insérer un proverbe
2761.
Vorona nihoatra an'Andringitra, afoizo fa antanindrazany.
aivetinakely
2762.
Ataovy dian-tana ny fiainana, ka ny afara todihina, ny aloha banjinina.
aivetinakely
2763.
Aza mitratrevatreva tahaka ny akata amoron-drano.
aivetinakely
2764.
Ny angady no asesiky ny zarany, ny ny rano atosiky ny vato, fa ny olombelona entanin'ny fahendreny.
aivetinakely
2765.
Kamo mindrana angady ka aza mahita anie aho.
aivetinakely
2766.
Tsy mino vary lany raha tsy mahita ny faran-kady mangeroka.
aivetinakely
2767.
Aza malady hofana tahaka ny amalon-kely fa tsy maha-ela velona izany.
aivetinakely
2768.
Aza fatra-pifidy ny manganagna ka tojo ny mangidy tsy telina.
aivetinakely
2769.
Ny teny toy ny antsy ka izay maranitra no adidy.
aivetinakely
2770.
Ny teny toy ny vato, ka izay maivana no atoraka
aivetinakely
2771.
Rafotsibe kendam-bomanga, ka maty nasesiky ny tenany ihany
aivetinakely
2772.
Ny lala-nahapotraka omaly, tsy andalovana intsony androany.
aivetinakely
2773.
Vaky vilany mian'efitra, sy maty olo-mazoto ka tapi-dalan-kaleha.
aivetinakely
2774.
Fatra-panoro hevitra ny fahavalo ka manjary mamaham-basy hitifirana ny tena.
aivetinakely
2775.
Aleo mipitrapitra mampalahelo toy izay mivandravandra mampatahotra.
aivetinakely
2776.
Ny iray Rasahy, ny iray Ramavany
niryna
2777.
Natao sanga ka nanatona, natao tandroka ka nanoto
niryna
2778.
Mangahazo mangidy malemy ka hanina amin'ny lemim-panahiny
niryna
2779.
Ny anatra tsy ao aloha hananatra fa ao aoriana andatsa, toy ny fanafody aorian'ny fahafatesana
niryna
2780.
Aleo miady toy izay mankany Ankaratra tsy misy olona
niryna
2781.
Aza mifonoka amban'ny maimbo
niryna
2782.
Aza mitangorina ohatran'ny voangory ritra
niryna
2783.
Aza afangaro ny ny lalao sy ny zava-bita
niryna
2784.
Izay miteny lango eo imason'ny vary, mitafy lamba eo imason'ny tompony.
aivetinakely
2785.
Aleo miandry fatin-dRafozana toy izay miandry hani-masaka.
aivetinakely
2786.
Mpandihy lava volohelika, mahay ihany fe misy tsininy.
aivetinakely
2787.
Atodin'androngo anaty fasika, raha tsy lenan'ny orana main'ny taninandro.
aivetinakely
2788.
Vorondolo monina an-tanàna haolo, tsy nangalatra fa tsara fonenana.
aivetinakely
2789.
Boka maimay hanam-bady, ka na ny tanana hanafosafo tsy misy.
aivetinakely
2790.
Teny Aina, izay manapa-teny manapak'aina.
aivetinakely
First
Previous
91
92
93
94
95
Next
Last
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0173