Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana
Lisitry ny ohabolana rehetra
Hampiditra ohabolana
2761.
Faly sahirana tahaka ilay bevohoka nanao kamaban-telo, ny kibo nitoerana antonina ihany fa ny nono omena no tsy ampy
Bocassa
2762.
voanemba mitsipika anjoro, tsy very fa maka toerana
tsonaneh
2763.
Fa ny vita dia tantara ary ny tantara vita tsy famerina
ratoul
2764.
Tsy ampahafirin'izay bevohoka ratsian-kena ka nde hikaikitra omby mitsangana
ratoul
2765.
Tampotampoim-pahasoavana ka hibaby kisoa mita rano
ratoul
2766.
Saro-tiana toa landy mohaka:ka tiana vao misaritaka
niryna
2767.
Ny hohavanina tsy misy, fa ny hiadina no betsaka
niryna
2768.
Tsy misy mafy toy ny raibe mijery ny zafikely hanarina
niryna
2769.
Toy ny manao soa vahiny ka raha voky izy :dia ilaozany mody.
niryna
2770.
Ny faharariany dia zakan'ny fanahin'ny olona ihany; Fa ny fanahy kivy, iza no mahazaka izany?
niryna
2771.
Aza manaiky be toy ny Tsaravoninahitra
niryna
2772.
Tsy mahaleo mora, hoatra ny mpantsaka
niryna
2773.
Izay zavatra ataonao ao anatin'ny maizina no ahalalana ny tena toetranao.
niryna
2774.
Aza mandatsa vorona azo.
niryna
2775.
Ny tsihy no fola-mandefitra fa ny olona tsy fola-mandefitra
niryna
2776.
Aza atao toy ny vato tsindry ahazana, ka raha maloka ny andro atsipiny.
niryna
2777.
Ny tompon'alahelo leo ihany fa ny mpamendrofendro no betsaka
niryna
2778.
kely idiran'angano ohatry ny sage femme efa diplome vao mangarona
dadou
2779.
KELY MIAMBOZONA ADIDY OHATRY NY SALAKA KA MIZAKA NY TSY HERAN'NY AINA
dadou
2780.
Tanora mamboly hazo, misy hialofana rehefa lehibe
elyzo
2781.
Aleo alan'Andriana toy izay alam-bahoaka
elyzo
2782.
Voanemba nipitika an-joro, tsy very fa maka toerana
elyzo
2783.
Manan-jara ny eny Ilafy fa manana an'Ambohitrarahaba ho famantanana !
ontsy
2784.
Kely mandevim-be ka mizaka ny tsy eran'ny aina.
Rold
2785.
be nangy miray fandriana ka ny ambony indray no tery
dadou
2786.
Efa ho lava tahaka ny lakolosin'i Faravohitra !
ontsy
2787.
boka mita rano, tafita vao rendrika
zazadel
2788.
Aza manody ny voky atody
zazadel
2789.
Ny fahaizana mihoatra noho ny volafotsy ary ny fahalalana miohatra noho ny volamena
dziana
2790.
Mihagnahagna koa lity nengam-boto
pablo
Voalohany
Mialoha
91
92
93
94
95
Manaraka
Farany
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0179