Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana
Lisitry ny ohabolana rehetra
Hampiditra ohabolana
2851.
Ny fanambadiana dia toy ny jiafotsy, vao tsy arahin-kasokaso, antitra tsy arahin-dromoromo
niryna
2852.
Ny tsihy no fola-mandefitra fa ny olona no tsy fola-mandefitra
niryna
2853.
Aza mizaha lamba rovitra
niryna
2854.
Ny vilany no vaky ny mpandoatra no nimonjomonjo
niryna
2855.
Aza tsy sahy andro toa renivitsika
niryna
2856.
Manao afon'Analakely ka ambony vao midonaka
niryna
2857.
Refa mety ny atao de ny tsifoka mampirehitra afo;refa tsy mety kosa de ranonampango aza misy voay
comptezo
2858.
Aza mampijaly tena toy ny boka mijery fitaratra
comptezo
2859.
Rafotsy be mita tatatra ka manitatra ny efa mikombona.
01
2860.
Mpanihika tsy misalaka, manome lavaka ho an'ny pirina.
01
2861.
miala maina ohatry ny voatay fa nangery ambony vato ny tsaiky.
01
2862.
tovolahy mikapa an-jezika, tsy mijery ny ho hanina rahapitso.
01
2863.
Totozy mitsifotra anaty lavenona, ka sempotry ny fofony
01
2864.
Manalasala toy ny manambady banga, atao ao aloha mitsiky amin'ny hafa, atao ao aoriana ohatry ny hanaikitra.
01
2865.
Mandehana dieny mbola malaina, fa rehefa mazoto tsy afaka intsony!!!
sylvoalias
2866.
ny zanaka mahafoy ray aman-dreny fa ny ray aman-dreny tsy mahafoy zanaka
mnm
2867.
adala no toa an-drainy
mnm
2868.
aza manao zanaka anaty fo marary
mnm
2869.
Ny vola hono toy ny volon'orona.Analana kely maharary, analana be maharary.
sylvoalias
2870.
Miharihary toy ny vay ankandrina
sylvoalias
2871.
Basin'ariary fito hoe ka tsy tian'ny manana kanefa tsy takatrin'ny mahantra.
sylvoalias
2872.
Raha ho faty aho matesa rahavana! Raha ho faty rahavana matesa ny omby!
sylvoalias
2873.
Aza ny hakelin'ny totozy no jerena fa ny lavaka vitany
sylvoalias
2874.
Aza matoky saka fa trondro no laoka.
sylvoalias
2875.
Sahona miarahaba bibilava, ka lozan'ny teny avoakin'ny vavany.
sylvoalias
2876.
Jambam-pitiavana toy ny sahona nanambady bibilava ka tsy mihevitra ny rahampitso.
sylvoalias
2877.
Vorona tsy antanana tsy atolo-jaza
sylvoalias
2878.
Ny vady filàna hevitra , ny namana mpanavotra amin'ny sarotra
aivetinakely
2879.
Adala ny manina ka tompom-bady no hafarana.
aivetinakely
2880.
Az a atao fihavanan'alika ka taolana iray no isarahana
aivetinakely
Voalohany
Mialoha
94
95
96
97
98
Manaraka
Farany
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0426