Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana
Lisitry ny ohabolana rehetra
Hampiditra ohabolana
2881.
te ho deraina toy ny alika mikiky taola-maina
elyzo
2882.
aza te ho deraina toy ny alika miambozon-koditra
elyzo
2883.
ny hanina hoanina fa ny harena mila vintana
elyzo
2884.
ombalahy mahia be tandroka ka mizaka ny tsy eran'ny aina
elyzo
2885.
mitaintaina toa soabakaka ambody riana
elyzo
2886.
zay vandana dia kary
elyzo
2887.
ny kary no nagalatra akoho ka ny saka no voatapa-drambo
elyzo
2888.
miharihary toy ny kary an'efitra
elyzo
2889.
sola miloloha fanoto ka tafaray samy malama
elyzo
2890.
mindrana angady lohataona ka maniraka ny tompony hiasa
elyzo
2891.
Tsy misy mahay mamindra toy ny akoho fa rehefa mandia sahafa solafaka ihany
elyzo
2892.
Samy bangaridana mifanoroka hono hoe ka de tsy misy ny kaiki-dela fa de finonoana no ady ao.
sylvoalias
2893.
Ny anan-dRay aman-dReny hono hoe toy ny tsipak'ombilahy ka raha mahavoa mahafaty fa tsy mahavoa kosa mahafanina.!
sylvoalias
2894.
Ny anatra hono hoe toy ny voankazo an'ala ka ny mamy atelina fa mangidy kosa aloa.
sylvoalias
2895.
Mitsangana dieny malaina fa rehefa mazoto tsy afaka intsony
niryna
2896.
fandrotrarana an-tanĂ na haolo ka mandimby anaran-dray tsy satry
elyzo
2897.
manalasala toa vady lava nify, atao aoriana toa hanaikitra ihany, atao aloha toa hihomehy amin'ny hafa.
elyzo
2898.
manalasala toy ny angidina, atao mahia toa be tratra, atao matavy kely fingo
elyzo
2899.
Boka milalao daomy, ka samy tehipasoka fa tsy misy te hanomboka.(lohavato)
sylvoalias
2900.
Akanga tapa-kelatra amoron'ala hoe ka:handroso tsy afaka, hiverina manin-kavana
sylvoalias
2901.
Magnirak'andriana mahabotrabotra, fa ny Andriana tsa azo irahina kosa halam-bahoaka.
sylvoalias
2902.
Raha olona iray no tsy tia mitotoa koba hatavy
sylvoalias
2903.
Raha vazo mitovy ihany aza mita rano
sylvoalias
2904.
Aleo very tsikalakalam-bola toy izay very tsikalakalam-pihavanana
sylvoalias
2905.
Ny kisoa no mitrongy vao homanna noho ny hadontoany.
sylvoalias
2906.
Varotr'ombin'ny mananontena ka raikitra vao tora-kovitra.
sylvoalias
2907.
Bangaridana homan-Katsaka voatono hoe ka :ny hanina katsaka, ny avoaka dia mbola katsaka ihany
sylvoalias
2908.
Aza lany andro amin'ny amboa tsa ho vola fa ny saka valo ariary(ohb.betsileo)
sylvoalias
2909.
Agny tagnako zay hoy le goa.
sylvoalias
2910.
Homehy tsy haty ko le be hy.
sylvoalias
Voalohany
Mialoha
95
96
97
98
99
Manaraka
Farany
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.013