Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana
Lisitry ny ohabolana rehetra
Hampiditra ohabolana
2941.
Basin'ariary fito hoe ka tsy tian'ny manana kanefa tsy takatrin'ny mahantra.
sylvoalias
2942.
Raha ho faty aho matesa rahavana! Raha ho faty rahavana matesa ny omby!
sylvoalias
2943.
Aza ny hakelin'ny totozy no jerena fa ny lavaka vitany
sylvoalias
2944.
Aza matoky saka fa trondro no laoka.
sylvoalias
2945.
Sahona miarahaba bibilava, ka lozan'ny teny avoakin'ny vavany.
sylvoalias
2946.
Jambam-pitiavana toy ny sahona nanambady bibilava ka tsy mihevitra ny rahampitso.
sylvoalias
2947.
Vorona tsy antanana tsy atolo-jaza
sylvoalias
2948.
Ny vady filàna hevitra , ny namana mpanavotra amin'ny sarotra
aivetinakely
2949.
Adala ny manina ka tompom-bady no hafarana.
aivetinakely
2950.
Az a atao fihavanan'alika ka taolana iray no isarahana
aivetinakely
2951.
te ho deraina toy ny alika mikiky taola-maina
elyzo
2952.
aza te ho deraina toy ny alika miambozon-koditra
elyzo
2953.
ny hanina hoanina fa ny harena mila vintana
elyzo
2954.
ombalahy mahia be tandroka ka mizaka ny tsy eran'ny aina
elyzo
2955.
mitaintaina toa soabakaka ambody riana
elyzo
2956.
zay vandana dia kary
elyzo
2957.
ny kary no nagalatra akoho ka ny saka no voatapa-drambo
elyzo
2958.
miharihary toy ny kary an'efitra
elyzo
2959.
sola miloloha fanoto ka tafaray samy malama
elyzo
2960.
mindrana angady lohataona ka maniraka ny tompony hiasa
elyzo
2961.
Tsy misy mahay mamindra toy ny akoho fa rehefa mandia sahafa solafaka ihany
elyzo
2962.
Samy bangaridana mifanoroka hono hoe ka de tsy misy ny kaiki-dela fa de finonoana no ady ao.
sylvoalias
2963.
Ny anan-dRay aman-dReny hono hoe toy ny tsipak'ombilahy ka raha mahavoa mahafaty fa tsy mahavoa kosa mahafanina.!
sylvoalias
2964.
Ny anatra hono hoe toy ny voankazo an'ala ka ny mamy atelina fa mangidy kosa aloa.
sylvoalias
2965.
Mitsangana dieny malaina fa rehefa mazoto tsy afaka intsony
niryna
2966.
fandrotrarana an-tanàna haolo ka mandimby anaran-dray tsy satry
elyzo
2967.
manalasala toa vady lava nify, atao aoriana toa hanaikitra ihany, atao aloha toa hihomehy amin'ny hafa.
elyzo
2968.
manalasala toy ny angidina, atao mahia toa be tratra, atao matavy kely fingo
elyzo
2969.
Boka milalao daomy, ka samy tehipasoka fa tsy misy te hanomboka.(lohavato)
sylvoalias
2970.
Akanga tapa-kelatra amoron'ala hoe ka:handroso tsy afaka, hiverina manin-kavana
sylvoalias
Voalohany
Mialoha
97
98
99
100
101
Manaraka
Farany
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0186